Namoaka fanambarana milaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny ankolafy Ravalomanana avy any amin’ny Distrikan’i Maroantsetra ny 21 Aogositra lasa teo.
Voalaza ao anatin’izany fa tena mitanila amin’ny fiarovana tombotsoan’olom-bitsy, eny tombontsoan’olon-tokana mihitsy aza ilay didy 7 navoakan’ny GIC M. Ambaran’ny ankolafy Ravalomanana Maroantsetra ihany koa fa tsy hitondra fitoniana amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena ny didy navoakan’ny CES nanilika kandida 8, ary tena manamafy orina ny fanjakan’i Baroa sy ny tsy fandriampahalemana izao fizotry ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena izao. Noho izany rehetra izany dia mitaky ny ankolafy Ravalomanana Maroantsetra mba tsy hiditra lalina intsony amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny GIC M. Avela malalaka hifidy izay olona tiany ny Malagasy fa tsy teriteren’ny sehatra iraisam-pirenena. Takiana ny hampiharana manontolo ny tondrozotra, mialoha ny zava-drehetra. Ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny elatra MFM sy ny avy ao amin’ny antoko Zanak’i Dada Maroantsetra no manasonia ity fanambarana ity, ary natao izao, hoy izy ireo mba hanairana ny rehetra mety matoritory na variana, satria efa tena tsy rariny intsony ny zava-mitranga eto.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.