Nanao ny hetsika fanaony isaky sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Sady fampitam-baovao no fanentanana amin’ny hetsika mafimafy kokoa manomboka izao no natao.
Nambaran’ny CT Justin Rakotoarimanana fa “na handray ny andraikiny ny SADC na tsia, vitantsika Malagasy io ary tsy hanaiky lembenana intsony isika”. Nohamafisin’ny CT Iandro Robertson izany, izay nilazany fa “tsy olona tia ady isika matoa nanao hetsika am-pilaminana teto amin’ny Magro, nefa raha ady no tian’ny FAT dia tsy maintsy mamaly izany isika, satria ny mino tsy maintsy mandresy”. Ny an’ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia naompany tamin’ny halatra bevava afenina ny vahoaka ataon’ny FAT ny fanazavany. “Efa betsaka ireo mpiara-dia tamin’ny FAT no miaiky ny tsy fandehanan-draharaha, ka nananganana ilay Malagasy Mihoitra ho an’ny Tanindrazana eo anivon’ny CT sy ny CST, izay ahitana ny Les AS, ny HPM, ny Monima ary ny ankolafy Ravalomanana”, hoy hatrany ny Me Rasamimaka.
Nomarihan’ity CST avy ao Toamasina ity hatrany fa “ananantsika dika mitovy ireny fitoriana tsy nasiana valiny nataontsika ireny. Ho avy ny famoahana azy ireny ho fanta-bahoaka raha tsy handray ny andraikiny ny fitsarana”. Ankoatra izay, dia fantatra fa niparitaka tamin’ireo faritra niaviany koa ireo CT sy CST avy ao Toamasina, CT Voizy Blandine tao Toamasina II, ny CT Zafilahy Stanislas sy CST Rakotomanana Gervais tao Vavatenina sy Fenoarivo Atsinanana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.