Nanam-bahiny avy eo anivon’ny vondron’ny mpanohitra avy eto Antananarivo ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, izay manao ny fihaonambeny isaky sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.
“Mandady ny trambo ankehitriny ka mila mailo tanteraka isika. Taorian’ny fiverenan’ny herin’ny mpanohitra, dia toran-kovitra ny FAT ka efa mampiasa herim-pamoretana indray”. Izay no nambaran’Atoa Mektoub El Camille mikasika ny zava-misy ankehitriny. Nomarihany fa noho io tahotra be loatra io, dia naverina niasa tsy fidiny na mbola te haka aina aza Atoa Ratsirahonana, satria efa very hevitra ireo tandapa sasany amin’ny fivoaran’ny raharaha. Nahitsy fiteny mihitsy kosa Ralaiseheno Guy Maxime, ka nilaza fa “tsy maintsy ho tonga ny Dadantsika izay rain’ny fandrosoan’ny Malagasy.
Omany dieny izao ny entanao fa ny tetezamita hitsangana eo tsy ho ela dia tsy hisy anareo izany intsony, satria nampahantrainareo ny Malagasy, banky ropitra noho ny nataonareo ny volam-panjakana ary anaty hady ny firenena”. Notsindriany fa “hisy fanovana goavana eto tsy ho ela ka asakasak’izay tsy mbola tonga saina sy te hanohy ny tsy mety tamin’ny fanonganam-panjakana. Ny fodian’i Dada, ny fahatongavan’i Deba ary ny fanaovana ny fihavanam-pirenena an-dRaprôfy ihany no vahaolana eto, ankoatra ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy ingahy Rajoelina”. Ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy sy ny CT Iandro Robertson kosa, dia nilaza fa “tapaho ny tambin-karamanay raha tsy manam-bola intsony ny FAT fa tsy olana aminay izany. Mitady ny mangarahara kosa anefa momba ny fanamarinam-pahatongavana, satria ny anay efa nataonay ho fanta-bahoaka ny antony”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.