Politique

Ankolafy Ravalomanana Mahazo faka any amin’ny CT sy CST


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

48 ora izay no lasa, nandaniana ilay sori-dalana ho lasa lalŕna mahaleotena.

 Raha ny lojikany sy ny fanazavan-dRtoa minisitry ny fitsarana dia mbola niandry ny famadihana ny sori-dalana ho lalàna vao azo hampiharina izany. Anisan’ny fitakian’ny mpanohitra moa ny hamoahana ireo gadra politika rehetra, ny famerenana tsy misy romoromo ireo sesitany politika rehetra ary ny famoahana ireo haino aman-jery rehetra nakatona noho ny antony politika. Araka izany, raha ny tokony ho izy dia hivoaka tsy ho ela ireo gadra politika ireo satria izay famadihana ho lalàna izay no nandrasana. «Ny sori-dalana no nidiranay tao amin’ireo rafitra ka rehefa tsy mifanaraka dia misaraka, efa ora maroamro izay no lasa ka miandry izahay. Rehefa tapitra ny fiandrasana dia handray fepetra izahay», hoy ny CT Rostand Randriampilamanana tao amin’ny Magro Behoririka omaly manoloana ny fihetsiky ny mpanatanteraka amin’ny fampiharana ny sori-dalana.

Mangataka moa ny tenany mba alefa mivantana amin’ireo haino aman-jerim-pirenena toy ny fanao hatramin’izay ny adihevitra rehetra miseho eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Ny zavatra hita eny, hoy Ralaiseheno Guy Maxime dia tsy mahazaka adihevitra ny mpomba ny fitondrana. Niverenany ny momba ny sori-dalana ka nambarany fa efa feno ny fepetra ahafahana mandresy tamin’ny lalàna, koa dia andrasana ny famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra. «Tsy misy intsony koa sakana amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana satria efa nivadika ho lalàna ilay sori-dalana fa ny lafiny teknika sy ny fiarovana ny ainy no mila alamina. Izy no tompon’ny fanapahan-kevitra», hoy ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity. Fa ankoatra ny fandaniana ny sori-dalana dia nodinihin’ny teny anivon’ny kongresy ihany koa ny momba ny tetibola.

Volavolan-dalàna izay tsy ahitana taratra ny onitra tokony ho an’ireo lasibatra noho ny raharaha 2009, araka izay voasoratra ao anatin’ny sori-dalana. Raha ny tatitra moa dia nilaza ny minisitry ny vola fa tsy maintsy hisy fanamboarana izany tetibola izany. Anisan’ny soso-kevitry ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny amin’ny tsy tokony handraisan’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna karama ho mariky ny fitiavan-tanindrazana, ho ohatra ihany koa ho an’ireo mpiray tanindrazana. Nolavin’ny ankamaroan’ny tao anaty trano fivoriana nefa moa izany. «Tsy maintsy hita sy havoaka eto ny marina, ao anatin’izao maha ao anay izao», hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime. Nanentana ireo mpiara-dia aminy moa ny tenany fa tsy mbola vita ny ady ary ny tolona dia mitohy na eny an-kianja na eny amin’ny lapam-panjakana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT