Politique

Ankolafy Ravalomanana Hiverina any an-dapa


  • Zoma 27 Janoary 2012


 Fantatra io araka ny fanambaran’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona Ravalomanana, sady filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, tamin’ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny ampahatongavana omaly, taorian’ny dian’ny delegasiona notarihany tany Pretoria Afrika Atsimo, araka ny fiantsoan’ny Troika taorian’ny zava-nitranga ny sabotsy 21 janoary 2012 teo. Araka ny fiangavian’ny Troika dia hiverina handray anjara amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ireo CT, CST ary minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Enga anie tsy handiso fanantenana anay izany, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Nanamafy ity farany fa dia vitaina alohan’ny 29 febroary ny fandraisana fepetra hisian’ny fitoniana ka anisan’izany ny fandaniana lalàna momba ny aministia. Nanamafy koa izy fa ho avy ny filoha Marc Ravalomanana, na tsy namaritra daty aza. Notsipihiny mazava kosa ny tokony hampiharana avy hatrany ny andininy faha-16,17, 18 ary faha-20 ao amin’ny tondrozotra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT