Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, dia anjaran’i Toamasina indray no hanaovana ny taom-baovaon’ny mpikambana sy ny fihaonana mivantana amin’ny vahoaka taorian’ny faritra Alaotra farany teo. Ny sabotsy izao no hanatanterahana izany ao amin’ny kianja mitafo Soavita. Hisy ny adihevitra hiompana amin’ny fiatrehany ny raharaham-pirenena. Andrandrain’ny mpikambana any an-toerana ihany koa ny hahita an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, hankahery ireo mpiara-mitolona sy hitondra fanazavana mikasika ny filatsahany ary ny tanjona hapetraka ho fanarenana ny firenena.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.