Politique

Ankolafy Ravalomanana Hanohana ireo mpiasam-panjakana ambony anio


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hanakatom-baravarana ary hikatso ny asam-panjakana amin’ity anio ity, araka ny fanambaran’ny fivondronamben’ny sendikan’ireo mpiasam-panjakana ambony

 Izany dia hanairan’izy ireo ny mpitondra hamahana ny olana eto Madagasikara, indrindra ny olana eo amin’ny mpitsara sy ny polisy. Araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Guy Maxime Ralaiseheno dia “miroso amin’ny dingana fandravana ny fanjakan-dRajoelina izao”. Tsy ho nofy intsony izany, hoy izy fa i Andry Rajoelina mihitsy no hiala satria tsy zakany intsony ny mitondra firenena. Manoloana ity hetsiky ny mpiasam-panjakana ambony anio ity àry dia nitaona ireo mpiasam-panjakana miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana i Guy Maxime mba hanambatra ny hery ka hanohana ireo mpiasam-panjakana ambony dia ny hampikatso ny raharaham-panjakana.

Karazana andrana no atao anio, hoy ny fanazavany. Hisy fivoriana rahampitso zoma ka raha tsy mahomby dia hitohy ny fitokonana amin’ny herinandro ambony. Ankoatra izay dia namaly ny tenin’ny masoivoho frantsay Jean Marc Chataîgner koa ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity. Rehefa hita, hoy izy, fa tsy azo ihodivirana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana dia voizina ny filazana fa tsy manana olana aminy ny Frantsay. Tokony ho mailo ny rehetra manoloana izany ary tsy anjaran’ny Frantsay, hoy izy ny mamaritra ny hoavin’ny firenena Malagasy.

Momba ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ihany dia nambarany fa tsy misy fitsarana mahefa hitsara filoham-pirenena lanim-bahoaka eto fa ny “Haute Cour de Justice” ihany no afaka hanao izany. Rehefa rava ny fitondrana FAT dia tsy maintsy hotsaraina i Andry Rajoelina satria tsy nolaniam-bahoaka. Ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Ravelonanosy Mamitiana kosa dia nanamafy fa efa nofoanan’ny andininy faha-16 amin’ilay sori-dalana avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana natao ny filoha Ravalomanana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT