An’ny Malagasy iray manontolo ny fetin’ny fahaleovantena nefa izahay tsy mila mpitondra tsy mendrika hitarika ny fankalazana, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace.
«Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no efa nilaza fa tsy filoha faratampon’ny foloalindahy velively i Andry Rajoelina satria tsy mpitondra voafidim-bahoaka», hoy izy. Potika ilay fahamendrehana lojika raha hanatrika ny fanomezam-boninahitra ataon’ny foloalindahy an’i Andry Rajoelina izahay. Izahay tsy hoe tsy hankalaza ny fetim-pirenena. Tena hankalaza izahay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa amin’ny fomba fanaovana azy eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny anay. Mahagaga ny filazan’ny jeneraly iray navoaka tamin’ny televiziona, hoy ny CT Ignace, fa hampiasa helikôptera sy fiaramanidiana ny tafika amin’ny fanaovana matso etsy Mahamasina. « Maninona raha misy izany tsy entina miady amin-dry Remena bila any Atsimon’ny Nosy ?”, hoy izy,
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.