Politique

Ankolafy Ravalomanana Hanao fanambarana goavana


  • Alarobia 09 Mey 2012

Tokony hisy amin’ity anio ity na farafahatarany rahampitso ny fanambarana hataon’ny ankolafy Ravalomanana momba ny heviny marina manoloana ny fampiharana ny tondrozotra sy ny fitantanana ny tetezamita.

 Nihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaha taorian’ny zava-nitranga ny sabotsy 28 aprily nifandonan’ny samy mpitondra fanjakana, ka naha lasibatry ny lakrymôzena an’i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana, raha nitarika ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo.

Nampihantona ny fandraisana anjarany tamin’ireo fivoriana eny amin’ny Parlemanta sy ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra ny olon’ny ankolafy Ravalomanana, mandra-piandry ny valintenin’ny SADC taorian’ny raki-tsoratra nalefan’izy ireo tany milaza ny tsy fampiharana ny tondrozotra araka ny tokony ho izy. Omaly antoandro dia nasain’ny SADC tamin’ny alalan’ny birao fifandraisany eto, teny Ivandry i Mamy Rakotoarivelo, ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana, sy i Rolland Ravatomanga, minisitry ny fambolena sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Amin’ny ankapobeny dia nandresy lahatra ny ankolafy Ravalomanana hijanona ao anaty rafitra ka hanohy ny fiaraha-mitantana sy ny fampiharana ny tondrozotra ny SADC.

Omaly tolakandro tetsy Anosy dia nivory indray ireo vondrona mpanao sonia ny tondrozotra. Fihaonana fanintelony io taorian’ny nampiatoan’ny ankolafy Ravalomanana ny fandraisany anjara ao amin’ny Parlemanta sy filankevitry ny governemanta sy minisitra noho ireny raharaha Ambohijatovo tamin’ny 28 aprily ireny. Hitady izay ifanarahana momba drafi-pampiharana ny tondrozotra no antony, saingy raha ny omaly dia vondrona enina amin’ny folo no tonga. Tsy niatrika fivoriana ireo vondrona mpanohana akaiky an’i Andry Rajoelina toy ny TGV, UDR-C, Les AS ary ny Arema. Ho an’iretsy vondrona roa voalohany dia mazava ny resany, izy ireo no nanongana dia avelao izy no hitondra fa aza mifanelingelina.

Mikatso, araka izany, ny raharaha raha ny fisehony hatreto. Koa da miandry izay hambaran-dry Mamy Rakotoarivelo sy ny ekipany ny rehetra, indrindra moa fa ireo mpitolona isan’andro eny amin’ny Magro. Mipetraka eto ny fanontaniana : moa va mbola hanaiky hijanona ao anaty tetezamita hatao haingon-dapa ihany ny ankolafy Ravalomanana, sa hanapa-kevitra ny hiala ao ka tsy hiray tsikombakomba amin’ny FAT amin’ny fanapotehana ny firenena ? Raha miala ao anefa dia midika izany fa mitsipaka ny tondrozotra, izay efa nankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ekena mihitsy fa tsy maintsy misy ny fandeferana, saingy tahaka ny mandefitra foana ny hafa, saingy manao hatrany izay tiany ny ankolafy Rajoelina, hoy ny mpitolona iray mafana fo, eny amin’ny Magro. Ka aminy dia ny miala amin’ny tetezamita mihitsy no fanapahan-kevitra mety. Averina indray ny fifampiresahana avy eo, dia avoaka ny fifanarahana vaovao hafa.

Amin’ity mpitolona eny amin’ny Magro ity, dia tsy misy mahamaika hanao izany fifidianana izany, raha toa ka tsy mbola tena voavaha tsara ny fifandirana eo amin’ny samy mpanao politika; satria azo antoka fa hiteraka savorovoro io fifidianana io, dia ho avy indray ny krizy. Raha ny ankolafy Rajoelina aloha dia tsy azo antenaina hanaiky ny fampiharana izany andininy faha-20-n’ny tondrozotra izany, fa satrin’izy ireo aza hijanona any Afrika Atsimo any ingahy Ravalomanana. Tena mila fitandremana sy fahamailona koa anefa ny fanapahan-kevitra horaisin’ny ankolafy Ravalomanana manaraka eo, satria raha diso paikady dia mampamangy fa na ny ankolafy aza mety hizara roa na telo, ary dia izay vao tena ho hitan’ny havany eo. Hainareo ny niditra dia tokony ho hainareo koa ny miala, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Fisintahana miaraka amin’ny fanaovana “service minimum” anefa no nataon’ireo olon’ny ankolafiny fa tsy nisy niala izany. Fantatra fa hivory eny Ampandrana anio maraina manomboka amin’ny 10 ora ny ankolafy Ravalomanana, ka aorian’izay no hahafantarana ny tena fanapahan-kevitra farany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT