Voaporofo tanteraka teny Antsonjombe tamin’ny alahady 13 oktobra teo ny tena fandalan’ny ankolafy Ravalomanana ny filaminana rehefa mikarakara hetsika ka tsy kotabain-dry be lakrimôzena isany fa tsy arakarak’izay resaka aely lava an-gazety sy amin’ny haino aman-jery voabaiko isan-karazany izao. Nilamina tsy nisy tomika ny fizotry ny fampielezan-kevitra niarahana tamin’Ny Avana ary matotra koa ny vonjy taitra nosahanin’ny “service d’urgence” an’ny CDU notarihan’ny Dr Randriamanana Hery teny an-toerana. Olona 11 mianaka, hoy izy, no novonjenay teto amin’ny tranolay fandraisana marary ka saika fahatoranana vokatry ny hafanana be loatra ny ankamaroany ary ireo olona efa zokinjokiny no maro tamin’ireo. Iray ihany no naratra vokatry ny fanitsahany vakin-tavoahangy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.