Azo ambara fa tombony ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandida tohanany ny efa niatrehan’izy ireo ny karazam-pifidianana rehetra nisy teto Madagasikara niainga tany amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny Ben’ny tanŕna sy ny sefo fokontany.
Efa tena mahalala tsara ny Faritra, Distrika ary ny Kaominina tsirairay avy eto ny mpiara-dia amin’i Dada, ary tsy tapaka mihitsy ny fifandraisana na dia nirodana aza ny fitondrana. Hita amin’izao fotoana fa nanomboka nihetsika ireny olon’ny ankolafy Ravalomanana any amin’ny Distrika sy ny Kaominina ary ny Fokontany ireny, rehefa nazava ny resaka fa dia ny Dr Jean Louis Robinson no kandida tohanana ary tsy maintsy mandresy ny tanjona, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Efa nisedra ny safidim-bahoaka, efa nitantana, efa nitondra firenena ity ankolafy ity ary nampiseho fa mahavita asa sy afaka manova zavatra maro ao anatin’ny fotoana fohy. Etsy an-kilan’izay kosa dia mpanongam-panjakana, mpandrombaka fahefana, tsy ampy traikefa amin’ny politikam-pitantanana, matetika misafidy ny fampiasan-kery ho vahaolana ny ankolafy Rajoelina ka mieritreritra hatrany fa izy ireo no hany manana ny marina. Hita taratra hatrany fa ireo fironana roa ireo no mifanandrina anatin’izao fifidianana izao.
Matoky ny Zanak’i Dada fa hivoaka amin’izay ny tena marina ary hilaza ny heviny ny vahoaka amin’io fifidianana io. Manezaka mafy kosa ny ankolafy Rajoelina, manarona ny tsy fahaizany mitantana amin’ny alalan’ny fanambatambazana ny vahoaka sy fanaovana kabary tsara lahatra. Tsy nisy herinandro akory ny propagandy dia efa re sahady fa ao ny miady vola, T-shirt ary tsy olon’ny ankolafy Ravalomanana mihitsy na nijery ny fampielezan-kevitra nataony ireny, fa an’ny kandida hafa izay sokajian’ny maro fa kandidam-panjakana. Ny tian-kambara dia tena foto-kevitra no hanarahan’ny olona ny ankolafy Ravalomanana sy izay kandida tohanany fa tsy zavatra hafa, ary rehefa tonga ny fotoana handrotsahana ny vato dia hanaporofo izy ireo fa mbola tena matanjaka izany ankolafy Ravalomanana izany, tohanan’ny vahoaka maro an’isa ary tena mbola mendri-pitokisana hitantana ny firenena ho amin’ny 5 taona manaraka indray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.