Ankolafy Ravalomanana

> Nitombo hery, tsy maintsy tafody i Dada


  • Zoma 06 Septambra 2013

Tafaverina an-tanindrazana omaly tolakandro ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana notarihan’Atoa Mamy Rakotoarivelo, rehefa avy nivahiny tatsy Afrika Atsimo nandritra ny roa andro.

Anisan’ny nihaona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany an-toerana Atoa sy Rtoa isany Mamy Rakotoarivelo, Botozaza Pierrot, Hanitra Razafimanantsoa, Roland Ravatomanga, Olga Ramalason, Ihanta Randriamandranto, Manandafy Rakotonirina, Jean Pierre Rakotoarivony, Andrianarijaona Ndriamanampy. Nanambara ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo fa tena zava-dehibe ny nihaona sy nitafa mivantana ary nifanakalo hevitra tamin’ny filoha Ravalomanana tany Afrika Atsimo. Anisan’ny antony iray lehibe nihaonan’ny delegasiona sy ny filoha Ravalomanana ny fampihavanana ny ao anatin’ny Ankolafy. «Atao aloha ny fampihavanana aminay ato anatiny vao miampita any amin’ny hafa izany», hoy ny fanazavana voaray teny Ivato omaly. Mahafaly ahy no milaza aminareo, hoy ny filohan’ny Kongresy fa tsy mizarazara ary efa miray hina tanteraka ny Ankolafy Ravalomanana.

Nanao antso avo amin’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana rehetra sy ireo izay mahatsiaro ny soa vitan’i Dada na teo aloha na izay mbola ataony amin’ny ho avy moa ny tenany hanambatra ny hery. “Miantso azy ireo izahay hanatevin-daharana ny Ankolafy Ravalomanana”, hoy hatrany i Mamy Rakotoarivelo. Ny tanjona kendrena, hoy ity farany dia ny hamerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ary ny hamerenana ny tany tan-dalàna. Momba ny fanohanana kandidà hafa indray dia nilaza izy fa tsy mbola misy hevitra tapaka momba izany tany Afrika Atsimo. Ny filoha Ravalomanana no tompon’ny teny farany mahakasika izany, raha ny filazany. Nanamafy i Mamy Rakotoarivelo fa “raha fifidiananana tsy misy ny ankolafy Ravalomanana izany dia fifidianana tsy eken’ny rehetra”.

Tsara homarihana fa tazana teny Ivato nandritra ny fahatongavan’ireto delegasion’ny ankolafy Ravalomanana omaly ireto ny kandida filoham-pirenena Jean Louis Robinson, izay tafiditra anatin’ireo kandida tombanan’ny maro fa mety hotohanan’ity ankolafy ity ankoatra an-dRajemison Rakotomaharo sy Benjamin Andriamparany Radavidson; saingy araka ny tenin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita dia tsy mbola nisy ny hevitra tapaka momba ny fanohanana na tsia kandida, ka andrasana izay tena ho fanapahan-kevitra rahampitso sabotsy satria nampanantena ny hiresaka mivantana an-telefaonina amin’ireo mpitolona eny amin’ny Magro Behoririka Atoa Marc Ravalomanana. Tsy takona afenina fa nisy ny fifandirana anatiny tao amin’ity ankolafy ity, noho ny fomba fijery tsy mitovy. Hain’ireo mpitarika anefa ny nifandefitra sy nifanazava ary nifandamina ary diso hevitra ireo izay mieritreritra fa vaky na nipatitaka ny ankolafy Ravalomanana, vao miha aza nampitombo ny heriny sy ny traikefany ny sedra nahazo azy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT