Am-periny tanteraka amin’ny fandraisana ny kandida Jean Louis Robinson ny mpitolona sy ny vahoakan’Antsirabe anio sabotsy 21 septambra. Raha ny fanomanana dia azo lazaina fa efa mipetrapetraka tanteraka ary tsy miova hatreto ny toerana fa dia ny kianjan’i Tsarasaotra. Fa mialoha izay dia hifamotoana eo amin’ny OVEC Antsirabe voalohany ny solontenan’ny Ankolafy Ravalomanana hametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’ny kandidà ho solombavambahoaka izay Atoa Jean François Michel no hitarika ny lisitra. Aorian’izay dia hanao rodobe mankao an-kianjan’i Tsarasaotra ny rehetra handray ny kandida Jean Louis Robinson izay hatolotr’i Neny Ravalomanana ny vahoaka. Hitorajofo tanteraka indray izany ny tanànan’Antsirabe hiaraka amin’ireo mpomba ny kandida sy ny Zanak’i Dada ary ny ankolafy Ravalomanana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.