Miditra amin’ny tena asa amin’izay ny ankolafy Ravalomanana ankehitriny satria hiatrika fifidianana ary hiezaka hampandany ny Dr Robinson Jean Louis.
Re fa efa tena mihetsiketsika amin’ny fametrahana na fanamafisana ny rafitra rehetra manerana ny Nosy mba hampandeha tsara ny fampielezan-kevitra ity ankolafy ity. Tsy ho mora fa tena goavana ny asa miandry, ny kandida sasany rahateo dia efa nanomboka propagandy mitety faritra ary hita fa tena manam-bola sy manam-pitaovana, ary efa mipoapoaka ny kabary politika. Vondrona politika goavana ny ankolafy Ravalomanana, manana teknisianina sy manampahaizana ary manana olona maro be manerana ny Nosy, tsy tokony ho olana noho izany ny fanaovana fampielezan-kevitra matotra. Efa nampanantena moa Atoa Robinson Jean Louis fa tanjony ny hampody an’i Marc Ravalomanana, raha azo atao dia mialoha ny fihodinana voalohany ary efa nisy ny resaka nifanaovany tamin’ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena momba an’io. Raha ny fanirian’ireo Zanak’i Dada dia ity filoha teo aloha ity mihitsy no hitarika ny fampielezan-kevitra saingy hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny filazana hoe rahoviana izy no ho tonga eto na dia vao nanamafy ny tsy maintsy hiverenana an-tanindrazana aza ny Troika-SADC nandritra ny fivoriany tany Windhoek tamin’ny 11 sy 12 septambra teo. Efa voasokajy ho anisan’ireo kandida goavana i Robinson Jean Louis ary azo eritreretina tsara mihitsy ny handrombahany ny fandresena amin’ny fifidianana. Efa azo sary an-tsaina ihany koa fa ho goavana ny fampielezan-kevitr’ity kandida ity ary tsy maintsy hoterena ireo Distrika miisa 119 manerana ny Nosy. Tsy vao izao no niatrika fampielezan-kevitra ny ankolafy Ravalomanana fa efa tena manana traikefa sy paikady amin’izany, ary Atoa Robinson Jean Louis koa dia efa niatrika ny safidim-bahoaka ary voafidy ho solombavambahoaka tany Ampafarafaravola tamin’ny 2007.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.