Ankolafy Ravalomanana Boriborintany faha-6

> Makotroka ny fanentanana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013

Miditra amin’ny kihon-dalana farany amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara isika manomboka anio alakamisy 17 oktobra.

Herinandro farany izay azo ambara fa manan-danja tokoa ho an’ireo etamazaoro politika isanisany na dia efa samy manana ny kandida andrian’ny sainy ka homeny ny vatony aza ny ankamaroan’ny olom-pirenena Malagasy manan-jo hifidy madio, malalaka ary mangarahara. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Boriborintany faha-6 ifandrombonan’ny antoko Taniko i Madagasikara, MFM miaraka amin’ny antoko Avana dia nanomboka ny sabotsy 12 oktobra teo ny hetsika fanentanana fandresehan-dahatra ireo mponina feno taona ao amin’ny firaisana faha-6 ato amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra handrotsaka ny vaton’izy ireo ho an’ny kandida dokotera Jean Louis Robinson. Tsotra ny hafatra napetraka tamin’izany, hoy Rakotondrainibe Jean Michel avy amin’ny antoko Taniko i Madagasikara dia ny hoe «ampy izay ny fijaliana sy ny fahoriana niainan’ny vahoaka malagasy tao anatin’ny efa-taona mahery ka tonga ny fotoana hitsaboana ny aretin’ny firenena malagasy ka ny dokotera Jean Louis Robinson no vahaolana amin’izany». Mbola hitohy ny fampielezan-kevitra ho fampandresena ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy 19 oktobra ho avy izao ka hitety ireo toerana ambanivohitra ahitana ireo lalankely ao anatin’ny boriborintany faha-6 hiarahan’ireto toko telo mahamasa-nahandro ireto, hoy Rajaonarivony Faly ka mandritra io fotoana io no hanaovana ny faradoboka ho fampandaniana ilay kandida «favori», hoy ny fanampim-panazavana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT