Politique

Ankolafy Ravalomanana «Au grand complet» tetsy amin’ny Magro


  • Alakamisy 15 Mey 2014

Niavaka tokoa araka ny voalaza tamin’ny talata ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 14 mey amin’ny hoe : «hovelomina amin’ny ainga vaovao indray», fa dia nahatonga solontena tao avokoa ireo antoko mandrafitra ny ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana iray manontolo (MFM, Teza, AMF/3FM ary ny Zanak’i Dada sy ny TIM).

 Ny rehetra dia samy nanana anjara fitenenana avokoa ary nandrangaranga fatratra ny firaisankina sy ny tanjona tokana iraisana hatreto dia ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka tsy hijanonan’ny tolona eo amin’ny Magro raha tsy migadona ao izy. Mbola notovonan’ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert nanatevin-daharana ny mpikabary koa aza izany tamin’io omaly io tamin’ny famerimberenany fa tsy mitsahatra mitaky ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena tena izy ry zareo, araka ny hafatry ny profesora ary mitaky koa ny fampodiana an-dRavalomanana an-tanindrazana. Aza manao omby latsika fa hifanaratsy an-toerana eto, hoy Atoa Raveloson Constant, aza manaiky pepoana. Isika no nahatonga ny tondrozotra ho lasa lalàna, isika no fototry ny fahatanterahana ireny fifidianana ireny ary efa mivoatra ny tantara fa efa nilaozan’ny toetrandro ny kisambotsambotra tahaka ireny tamin’ny fitsenana natao teny Ivato ireny. Ozon-dozan’ny taranaka amam-para ny fanonganam-panjakana nisy nobaikoan’ny Frantsaay ka tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany ny tarazony, hoy i Constant. Teto Behoririka ny 13 mey antsika fa fotoana fandinihan-javatra iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT