Politique

Ankolafy Ravalomanana “Ara-dalŕna i Neny”


  • Zoma 24 Mey 2013

Niantso ny Vondrona Afrikana sy ny SADC mba hanitsy ny zavatra nambarany ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefa any amin’ny filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikana sy ny filohan’ny Troika-n’ny SADC. Ny 21 mey teo no nandefasan’Atoa Mamy Rakotoarivelo filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana izany taratasy izany.

 Aza atao safo be mantsina

 

Hentitra sady mazava ny famelabelaran-kevitra ao anatin’ity antontan-kevitra 5 pejy ity, izay namerenan’i Mamy Rakotoarivelo ny fanazavana indray fa mety sy mitombina ny maha kandida an-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotoniarainy, ary tsy tokony hitsivalana amin’izany ny Vondrona Afrikana sy ny SADC. Zava-dehibe ny fahafantarana tsara ny zava-misy, hoy ilay fanambarana satria tsy azo atao safobe mantsina mihitsy ireo kandida 3 dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Raha iretsy roa voalohany fotsiny ohatra no jerena dia tsy mitovy mihitsy. Rtoa Lalao Ravalomanana dia madio ara-pitsarana, tsy olona voasazy na eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manan-jo araka ny ambaran’ny lalàna Malagasy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena izy. Tsy tokony hiadian-kevitra ela be ilay hoe: enim-bolana nitoetra teto Madagasikara, hoy i Mamy Rakotoarivelo satria tsy sitrapony ny tsy nahafahany niditra teto Madagasikara fa noho ny hasomparana sy fampiasan-kery natao tamin’ny tamin’ny 21 jolay 2012. Raha eo amin’ny lafiny ara-politika indray dia hafahafa ihany no sady tsy matotra ny hilaza fa mitovy amin’i Marc Ravalomanana ihany i Lalao Ravalomanana ka noho izany dia mihatra aminy koa izany ilay : “ni…ni”.

Mbola mponina eny Faravohitra i Lalao Ravalomanana, nahafeno tsara ny antontan-taratasy filatsahan-kofodiana ary nanatitra ara-potoana izany teny amin’ny CES. Etsy ankilan’izay kosa anefa dia mibaribary be fa tena taorian’ny fe-potoana ara-dalana no nanatitra ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina, manampy izay dia voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, araka ny didy navoakan’ny Vondrona Afrikana ny 19 febroary sy 17 martsa 2010 noho izy nanongam-panjakana, na naka fahefana tsy tamn’ny fomba demokratika izay mifanohitra amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Vondrona Afrikana.

 

Fanambarana mifanohitra

 

Somary manaitra ihany ny fifanoheran-kevitra navoakan’ny Vondrona Afrikana sy ny rantsa-mangaikany, hoy i Mamy Rakotoarivelo tao amin’ity taratasy nosoratany ity, satria tamin’ny 22 aprily 2013 dia niantso ny mpitondra malagasy, ny andrim-panjakana ny mpanao politika mba hamela malalaka ny fandraisan’anjaran’ny besinimaro amin’ny fifidianana sy tsy hanisy sakantsakana ny filatsahan-kofidiana ny Vondrona Afrikana ; ny 16 mey lasa teo indray anefa dia miantso kandida telo hisintaka indray ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikana. Tokony hisy ny fanovana ny fomba fijery sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Vondrona Afrikana mba hampisindana ny adin-tsaina mahazo ny Malagasy amin’izao fotoana, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Raha tsorina ny resaka dia miantso ny Vondrona Afrikana sy ny SADC ny ankolafy Ravalomanana mba handinika tsara ny zavatra ataony ary hanaiky ny maha kandida an’i Lalao Ravalomanana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT