Rehefa avy naka bahana kely tamin’iny fialantsasatry ny faran’ny herinandro somary lavalava iny dia mety hafanafana ity herinandro vaovao mitsidika ity.
Raha ny fantatra manko dia hiroso amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita Tsimbazaza rahampitso alarobia ka fandaniana ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka no ho lahadinika amin’izany. Araka ny efa namantarana azy moa dia mbola tao amin’ny asam-baomiera, ny alakamisy lasa teo, dia efa nisintaka tamin’ny fandinihana azy ny ankolafy Ravalomanana noho ny fahitany fa betsaka ireo zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Naverin’i Constant Raveloson nohazavaina teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka moa ireo antony nisintahan’ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy 07 aprily teo. Anisan’izany, ohatra, ny tsy nandalovan’ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka teo anatrehan’ny vaomiera iraisan’ny andrim-panjakana rehetra, teo koa ny androm-pivoriana, izany hoe ny talata 03 aprily vao nomena ny antontan-kevitra momba ny famotsoran-keloka. Manginy fotsiny ny tsy nahazoan’ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresy ilay «mémorandum».
Ankoatra izay dia voalaza ihany koa fa tsy izay tapaka teo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra no volavolan-dalàna naroson’ny ministeran’ny fitsarana ka nozaraina ny Parlemantera fa hafa mihitsy. Ambonin’ireo rehetra ireo, hoy ihany i Constant Raveloson dia misy fomba famonoan’olona tadiavina tazonina ho tsy maty manota eto amintsika mba hanadiovana an-dRajoelina, toy ny famonoana olona amin’ny alalan’ny fandoroana velona izay melohin’ny lalàna, ary sazy mandra-pahafaty no miandry izay nahavanona izany raha ny fehezan-dalàna famaizana malagasy. «Tsy raharaha manokan’ny ankolafy Ravalomanana izao miseho izao fa fanaovana zinona ireo Parlemantera rehetra mihitsy. Hafokaina ireo mpikamban’ny Kongresy», araka ny fanazavan’i Constant Raveloson.
Manoloana izany rehetra izany dia nanambara ny CT Ralainirina Marcel avy any Manakara fa «misy fetra ny fandeferana». Efa nandeferana, hoy izy ny nidirana tao amin’ny andrim-panjakana na dia teo aza ny fanitsakitsahana ny sori-dalana, mbola mikatona daholo koa ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT noho ny resaka politika, mbola maro ireo voatazona any am-ponja ary ireo sesitany politika tsy mbola tafaverina an-tanindrazana. Tetsy andanin’izany dia nasian’i Longin Fanantera, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, resaka ny tenin’ny Escopol milaza fa tsy tokony hilatsaka hofidiana ireo naloam-bahoaka. Raha ny mpanongam-panjakana dia rariny izany, hoy izy satria efa voafaritry ny fifanarahan’i Cotonou rahateo izany. Fa raha ny momba an’i Marc Ravalomanana kosa izay lazaina fa naloam-bahoaka dia lainga izany, hoy ihany i Fanantera Longin. Araka ny fanavazany, ny tany Androy dia tsy anisan’ireo nanongana an-dRavalomanana. Ny filatsahan-dRavalomanana hofidiana, araka izany, no hamantarana raha naloam-bahoaka tokoa izy na tsia, hoy ihany i Fanantera Longin. Ankoatra izay dia heveriny fa tsy tokony handrasana amnistia ny fanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana. Nohamafisiny ihany koa fa tsy misy olona afaka hisakana ny fiverenan-dRavalomanana na lany na tsia ny famotsoran-keloka.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.