Politique

Ankolafy Ravalomanana Ampiharo aloha ny fitoniana


  • Zoma 08 Jona 2012

Vahinin’ny Sokela anio ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, Botozaza Pierrot. Avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izy, hiresaka momba ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny andraikitry ny ankolafy misy azy eo anatrehan’ny tondrozotra, ny tontolon’ny toekarena ary ny raharaha TIKO ihany koa.

 Tia tanindrazana (TT) : Hisy ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Inona no andrasanareo amin’io ? Mbola ilay fampodiana an-dRavalomanana ve sa misy zavatra hafa ?

Botozaza Pierrot (BP) : Ilay fodiany mihitsy no tena antenainay. Ny tena olana dia ny fisian’ny fahefana mpanatanteraka roa loha dia Atoa isany Beriziky sy Andry Rajoelina izay tena mampisavoritaka eto. Misy minisitra sasany mantsy mandray baiko mivantana avy amin’ny filohan’ny FAT. Momba ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana dia mahagaga fa tsy misy noterena anie tamin’ny nanao sonia ilay tondrozotra e ! Tsy misy filazana mihitsy tao anatiny fa andrasana kely aloha ny fodiany ary niara-nanaiky izany ny rehetra. Dradraina koa fa tokony hotanterahana ny fifidianana amin’izao fotoana mikorontana izao. Tsy ho eken’ny besinimaro mihitsy anefa ny vokatr’izany. Ampiharo aloha ny fitoniana, avy eo ny fampihavanam-pirenena ary ny fahalalahana maneho hevitra. Io tsy fanajana ny tondrozotra io ihany no mitarika ireo korontana isan-karazany ireo.

TT : Izy mirahalahy ihany ve no mihaona sa tokony hosokafana amin’ny mpanao politika hafa raha ny hevitrao ?
BP : Misy tokoa ny mpanao politika sasany milaza fa tokony hatrehana ny filohan’ny FAT. Tsy ilaina izany fa angaha moa izy zazakely ? Mpanelanelana ihany no tokony hiatrika ilay fihaonana dia ny SADC.


TT : Azo fantarina ve izay ventin-kevitra hoentin’ny filoha Ravalomanana mandritra ilay fihaonana ?
BP : Ampiharo ny tondrozotra ! Mbola namerina izany anie ny filoha Ravalomanana tany Angola farany teo e ! Ilaina ny maneho fahendrena raha tena tia ny firenena marina ny mpanao politika.


TT : Atoa Andry Rajoelina dia efa nanambara fa tsy hiverina amin’ny fitondrana izany Atoa Ravalomanana izany hoe mety hosakanana hatramin’ny farany ny fodiany sy ny filatsahany amin’ny fifidianana. Azo heverina ve ny haha kandida anao misolo azy ?
BP : Ny fampodiana azy izao no tarigetranay. Fanitsakitsahana ny lalàna fototra momba ny zon’olombelona ny tsy famelana azy mody an-tanindrazana. Izy irery ihany no mahafantatra izay mety ho fanapahan-keviny fa tsy mbola mieritreritra izay olona halatsaka hasolo azy izany akory izahay. Ny tiako hamafisina dia tsy misy olona na iray aza eto Madagasikra ka tsy nanota. Izay indrindra no mahatonga ny tondrozotra sy ny fampihavanam-pirenena hanehoana ny kolontsaina Malagasy miorina amin’ny fihavanana.

 

TT : Mandrapahoviana ianareo ankolafy Ravalomanana no hisintaka amin’ny andrimpanjakana toy izao ? Tsy vao mainka ve io fihetsikareo io manitatra ny tetezamita ?
BP : Matoa izahay niditra ao anatin’ny governemanta dia vonona hampihatra ny tondrozotra. Vokatry ny fananganana ilay komity manokana eo anivon’ny governemanta no nahatafatsangana ireo andrimpanjakana hafa sy namoahana lalàna maro. Rehefa hiresaka momba ireo hevitra fototra toy ny fametrahana fitoniana, ny fanehoan-kevitra malalaka ary koa ny fiverenan’ny sesitany politika dia safosafoana foana ny resaka. Izay indrindra no nahatonga anay hangataka filankevitry ny governemanta manokana hahafantarana ny “honnêteté intellectuelle”-n’ny tsirairay. Nandritra io filankevitry ny governemanta manokana io no nahitana fa misy tsy vonona mihitsy ny minisitra sasany fa mbola te hanafosafo ilay resaka foana ary tsy hita mihitsy ny fahavononana. Izay koa no nitarika anay haneho tsy fahafaliana amin’ny alalan’ny fisintahana izay marihiko fa tsy midika ho haratsiam-panahy na koa finiavana hanao tohana na sakana. Nandray fanapahan-kevitra noho izany ny tenako namory ireo mpanao sonia ny tondrozotra tato amin’ny biraoko ary notohizana tany amin’ny biraon’ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo izany. Tsy tanteraka intsony anefa ny dinika fahatelo satria tsy tonga ny TGV, ny UDR-C ary ny Arema. Atao ahoana anefa ny hanohy ny dinika raha tsy manatrika ny iray amin’ny tena mpifanandrina ?

 

TT : Milaza ho misintaka ianareo kanefa mandray anjara amin’ny fananganana ny ratsamangaikan’ny CENI-T hatrany ?
BP : Andrimpanjakana mahaleotena iny fa tsy tahaka ireo hafa. Ary soa ihany fa manana solontena ao izahay satria saika tsy mahaleotena ilay izy noho ny fikasana hibaiko avy any ambony any. Raha mbola mitohy io dia miala avy hatrany ny ankolafy Ravalomanana.


TT : Hijanona amin’ilay fisintahana foana izany ianareo sa miketrika zavatra hafa ?
BP : Hiditra amin’ny dingana manaraka izahay amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao eo. Tsy midika anefa izany hoe hiala satria izahay dia olona manaja sonia. Resaka paikady no hatao.


TT : Amin’ny anaran’ny fiaraha-mitantana no nidiranareo ao amin’ny andrimpanjakana. Toa tsy mahatapaka ahitra mihitsy anefa ianareo satria na ny Kaominina Antsirabe sy Toamasina aza votsotra aminareo ?
BP : Izay ilay nambarako teo fa tsy hajaina ny tondrozotra. Raha misy mantsy izay dia misy ny fiaraha-mitantana.


TT : Sahala amin’izay koa ny raharaha TIKO. Dia tsy afaka nanao na inona na inona mihitsy ve ianareo minisitry ny ankolafy Ravalomanana ireo ? Ianao rahateo mitantana ny sehatry ny indostria ?
BP : Tsy azo sarahana amin’ny filoha Ravalomanana ny orinasa TIKO. Mbola misy foana ilay fanenjehana sy fanapotehana an-dRavalomanana. Ny mahagaga dia tsy nanao ny asany mihitsy ny sampandraharaha foiben’ny hetra (DGI) tamin’ny fotoana mbola naha teto an-toerana ny tompon’ny TIKO. Nohamarininay fa tsy nisy mihitsy taratasy nilaza tamin’ity orinasa ity avy amin’ny DGI momba ny hetra tokony haloany. Saingy rehefa tsy eo ny tompony vao misy izao fanagejana izao. Ny mampalahelo koa dia takiana hetra 172 miliara Ariary ny TIKO Andranomanelatra kanefa hetra itambaran’ny vondrona orinasa TIKO ireo. Misy fahendrena ve amin’ireo teknisianina izay mampandoa ny hetran’ny Vondrona TIKO iray
manontolo amin’ny sampana iray monja (TIKO Andranomanelatra) ? Tsy mety izany fihetsika izany amiko. Ny vahaolana amiko dia tokony havela hiasa io ozinina sisa afaka mihodina io ka izay hetra tokony haloany no hefainy. Aza hadinoina koa anie fa be dia be ny vary, menaka, lafarinina ary vola tamin’ny banky lasan’ny FAT ankoatra ny kaontenera giazina ao amin’ny seranantsambo e ! Fihetsika mifanohitra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ireo amiko.


TT : Afaka manantena hahazo ny onitra noho ny fahapotehana ihany ve ireo orinasa may sy norobana tamin’ny 26 janoary 2009 ?
BP : Vao manomboka mihitsy izao ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ireo orinasa niharam-boina tamin’ny “Alatsinainy Mainty”. Efa nametraka ny antontan-taratasy samihafa koa ry zareo. Mino sy manantena aho fa hisy ny vokatra tsara ato ho ato. Hisy rahateo ny fivoriana miaraka amin-dry zareo amin’ny herinandro ambony. Anjaran’ny departemanta tantaniko kosa no manatona ny tomponandraikitra momba ny fananganana ilay Tahiry hanoherana ny fahapotehana sy fahasimbana nahazo azy ireo.

 

TT : Nahazo fanalavana 10 taona ny fanofany ny SIRANALA ny orinasa COPLANT. Angaha moa azon’ny tetezamita atao ny mandraikitra fifanarahana lavitra ezaka toy izany ?
BP : Nifarana tamin’ity 2012 ity ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine izay nametraka ny fifanarahan’ny SIRANALA sy ny COPLANT koa. Fifanarahana naharitra 15 taona efa nisy teo aloha io fa tsy vaovao akory, izany hoe tohizana fotsiny. Raha sanatria najanona io dia lasa tsy misy indray ny fiarovana ny fampiasam-bola vahiny. Nampiany 15 taona indray ny fanofan’ny COPLANT ny SIRANALA ka anisan’ny asa tontosainy amin’ity dingana faharoa ity ny fampitomboana ny vokatra, ny fanitarana ny velarantany volena fary ary fanavaozana ny fotodrafitrasa indrindra amin’ny fanondrahana ny fary satria tsy maharaka ny tohadrano misy ao an-toerana.


TT : Nahoana koa no nampitomboina 20 andro indray ny fe-potoana anaovana fanaikana mpandraharaha vonona hitantana ny SIRAMA Nosy Be sy Brickaville na “pré-qualification” ? Manahy ny fisian’ny tetika ambadika ny mpiasa sasany ?
BP : Mbola mifanaraka tsara amin’ny volavolan-dalàna momba ny tolobaro-panjakana ny fanalavana ny fe-potoana fanaovana “pré-qualification” raha tsy azo atao izany rehefa miditra amin’ny fanaikana tolobidy. Efa tafatsangana
moa izao ny ny komity teknika hanomana ny tolobidy ahitana ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena, ny ministeran’ny vola, ny mpanana petra-bola ary ny solontenan’ny mpiasa raha ilaina.


TT : Inona no teninao farany tompoko ?
BP
: Zavatra roa no tsy maintsy ananana raha mikasa hitondra fanjakana. Tena mila maneho tokoa fa tia ny vahoaka Malagasy fa tsy manao toky fitaka na tia tena. Any amin’ny fifidianana no anehoan’ny vahoaka ny fahatezerany ho an’izay mamadika na mamitaka azy. Ho anareo mpanao politika milaza hoe izao atao lava io dia sahia miatrika ny fifidianana filoham-pirenena dia ho hitan’ny olona eo. Faharoa dia mila manam-pinoana koa satria raha tsy manam-pinoana ianao dia tsy haharesy lahatra olona mihitsy.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT