Politique

Ankolafy Ravalomanana Ambohijatovo aloha no resaka


  • Alakamisy 10 Mey 2012

Eo am-piandrasana ny fanambarana hataon’ny ankolafy Ravalomanana mikasika ny hiverenany hanohy na hialany tanteraka amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita araka ny tondrozotra dia manamasaka ny fikasana hiverina eo Ambohijatovo, hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Io no votoatin-dresaka ao amin’ny Magro Behoririka ny faran’ny herinandro lasa iny ary nohamafisin’izy ireo tamin’ity herinandro ity. «Mpanolotsaina monisipaly no nametraka an’Ambohijatovo ho kianjan’ny demokrasia ary tsy mbola foana io ka tsy miala isika raha tsy tafiditra ao Ambohijatovo amin’ny sabotsy 12 mey 2012 izao», hoy Ralaiseheno Guy Maxime, omaly. Rehefa izay dia nanao antso amin’ny praiminisitra ny tenany mba hanome toromarika ireo mpitandro ny filaminana mba tsy hisetrasetra toy ny tamin’ny sabotsy 28 aprily 2012. Anisan’ny lahadinika nandritra fivoriana nataon’ny ankolafy Ravalomanana tao Ampandrana omaly ny amin’ity hetsika amin’ny sabotsy ity.

Tsy nisy nipika ny dinika tao, saingy hita soritra tamin’ny endriky ny mpivory fa nafana ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra mikasika azy io. Araka ny fantatra dia niditra an-telefaonina naneho ny heviny sy nanome toromarika ireo mpiara-dia aminy ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Taorian’io fivoriana io dia nilaza ny CT Sazalahy Tsianihy raha nikabary tao amin’ny Magro omaly tolakandro fa «maro ny FAT ho tapaka lalandra amin’ny herinandro». Tombanana amin’io fa dia mety amin’ny fiandohan’ny herinandro io izany no hisian’ny fanambarana lehibe hataon’ny ankolafy misy azy ity, indrindra taorian’ny pi-maso nataon’ny praiminisitra tamin’ny nandefasany taratasy any amin’ny minisitry ny fitsarana hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ny mpanohitra araka ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra. Mety mbola hanana ny hambarany rahateo ny SADC amin’ity faran’ny herinandro ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT