Politique

Ankolafy Ravalomanana “Ala nenina farany no hatao”


  • Alarobia 11 Janoary 2012

«Tsy mbola tonga eto am-pelatananay na ny volavolan-dalŕna momba ny CENI na momba ny lalam-pifidianana ary dia izany no mahatonga ny fanemorana ny fandinihana izany», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Leriva Manahirana, tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro omaly.

 Araka ny vaovao dia mety ho ny alakamisy no handinihin’ireo parlemantera ny momba ny CENI sy ny lalam-pifidianana. Araka ny fanazavan’ity mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ity ihany dia tsy mitsivalana ny handinihina ireo lohahevitra ireo ny ankolafy Ravalomanana saingy mifanindran-dalana amin’izany dia manao tsindry amin’izay hametrahana ny fitoniana politika izy ireo, ao anatin’izany ny fodian’ny filoha Ravalomanana, ny famoahana ireo gadra politika ary famahana ireo haino aman-jery nakatona. «Manao izay faraherinay izahay eo anivon’ny governemanta, CT ary CST”, hoy ihany izy.

“Ataonay avokoa ny fiala-nenina rehetra amin’izay fifampidinihana azo atao. Tapitra izay dia hanao tatitra amin’ny filoha Ravalomanana izahay fa efa nataonay avokoa izay fifampidinihana azo atao sy ny fiala-nenina rehetra koa inona no hevitrao ? Izay fanapahan-keviny eo no raisinay sy hataonay”, hoy i Leriva Manahirana izay nanambara fa tsy mbola mipetraka tsara ny rafitra hahafahan’izy ireo miasa bebe kokoa. Ho an’ny eo anivon’ny CST manokana, vao omaly no tafatsangana ny vondrona parlemantera sy ny nahafantarana ireo mpikambana eo anivon’ireo vaomiera 34. Momba ny hanatrehan’ireo parlemantera na tsia ny lanonana ataon’ny FAT eny Iavoloha dia nambaran’ity CST ity fa miankina indrindra amin’izay valin’ny filankevitry ny governemanta izany. Raha ny tokony ho izy, araka ny fanazavana dia tokony ho nandinika ny momba ny fametrahana ny fitoniana eto amintsika ny filankevitry ny governemata natao omaly. Koa raha mifanojo amin’izay dia mety ho eny Iavoloha ihany ny ankolafy Ravalomanana, raha tsy izany kosa dia tsy ho eny izy ireo. Raha ny tenin’ireo mpikambana eo anivon’ny CT hafa moa dia tsy hanatrika ny lanonana izy ireo. Anio moa no hahitana izany raha hiaka-dapa ihany na tsia ireo parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT