Politique

Ankolafy Ravalomanana 41 ny kandida, ovaina ny CES


  • Zoma 12 Jolay 2013

Namoaka fanambarana misy fehin-kevitra lehibe fito omaly hariva ny ankolafy Ravalomanana, omaly, manamafy fa tanjon’ny tondrozotra ny fametrahana fitondrana tetezamita tsy miandany mitondra mankany amin’ny fifidianana azo antoka, malalaka ary madio sy mangarahara eto Madagasikara

Nampatsiahy indray ny ankolafy Ravalomanana fa sakana amin’ny fandraisan’anjaran’ny maro an’isa amin’ny fifidianana ny fanilihana kandida, ary manohintohina avy hatrany ny fahamatoran’ny fifidianana ny tsy fandraisan’anjaran’ireo mpifanandrina politika fototra. Mihevitra ity ankolafy ity fa hitarika any amina krizy vaovao, hafa ny fanilihana ireo mpifanandrina politika fototra nahatonga ny krizy. Noho izany dia mitaky ny fampiharana tanteraka ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana, manaiky izay tetiandrom-pifidianana avoakan’ny CENI-T miaraka amin’ny Firenena Mikambana, ary manamafy fa dia 41 ny kandida ho filoham-pirenena araka ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES.

Antoka amin’ny hisian’ny fifidianana demokratika sy eken’ny rehetra ny fitazonana ny isan’ny kandida ho 41, raha ny hevitr’ity ankolafy ity, midika izany fa na dia eo aza ny tery sy ny tsindry avy amin’ny ampahany amin’ny GIC-M dia tsy hitsoaka an-daharana fa dia mijanona ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Tsy miova ary tsy hiova io fanapahan-kevitra io. Miantso ny sehatra iraisam-pirenena mba hanaiky ny voka-pifidianana handraisan’ireo kandida 41 ireo anjara, ny ankolafy Ravalomanana, fa mitaky kosa ny hanovana ny endriky ny CES mba hamerenana ny fitokisan’ny olona an’ity rafitra ity. Tsy mba miovaova amin’ny foto-kevitra ijoroany ny ankolafy Ravalomanana ary mitana ny teny nomeny hatramin’ny farany, nivoaka ny “ni…ni” dia tsy kandida Atoa Marc Ravalomanana, koa tsy maintsy nisafidy kandida hafa ny ankolafy Ravalomanana. Maro ny fandeferana efa natao, saingy amin’ity indray mitoraka ity kosa dia tsy hilefitra manana ny rariny intsony ity ankolafy ity, raha ny fahitana izao fanambarana navoakany omaly izao, ary na inona na inona hambaran’ny SADC sy ny ekipany manaraka eo dia tsy hitsoaka an-daharana izany i Neny.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT