Politique

Ankolafy Ratsiraka Nipirina tanteraka, fa nahoana ?


  • Zoma 31 Aogositra 2012

Raha mifaninana amin'ny famoahana fanambarana sy fanehoan-kevitra ireo vondrona politika maro samihafa, dia hita fa mbola nisafidy ny hangina ny ankolafy Ratsiraka sy ny Arema amin'ny ankapobeny.

 Tsy dia hita sy re tamin'ny filazam-baovao intsony ireo mpanao politika akaikin'i Deba fa nipirina, araka ny fomba fiteny. Ny ankolafy Ratsiraka rahateo moa dia tsy nanasonia ny tondrozotra, ka noho izany dia voailika tanteraka amin'ireo dingana rehetra ao anatin'ny famahana ny krizy. Raha nilaza ny hiverina tsy ho ela, tamin'ny niaingany ho any Frantsa ny volana desambra 2011 i Didier Ratsiraka, dia tsy hita sy tsy re feo hatramin'izao, afaka efatra volana anefa dia hifarana ny taona 2012.

Mampametra-panontaniana ny maro ny hoe : nahoana no tsy niverina teto an-tanindrazana intsony ny Amiraly ? Izy mivady anefa salama tsara, ny trano efa misy ny azony hivantanana eto. Ny Amiraly rahateo dia madio tanteraka eo imason'ny fitsarana malagasy, taorian'ilay fifanarahana tany “Maputo 1”, ka tsy izao fitondrana tetezamita izao mihitsy no handeha hamorona dosie ka hisambotra sy hanagadra azy indray. Ka nahoana ary no tsy niverina intsony i Deba ? Tsy te hody ve izy sa tsy navela hody ? Iza no ao ambadik'izany rehetra izany ? sa ve efa manana ny paikadiny manokana mihitsy hiverenana eo amin'ny fitondrana ny Arema ka tsy handany andro hiady seza ao anatin'ny tetezamia, fa kosa efa manomana ny mpiara-dia aminy hiatrika izay fifidianana rehetra ho avy eo ? Anisan'ny antoko mbola mahazaka olona sy manana ny maha izy azy ny Arema ary manana mpanao politika tena voky traikefa no sady manana teknisianina isan-karazany koa. Heverina fa tsy matory na rendrenama ireo ekipan'i Deba ireo fa mety efa miketrika dia miketrika any ambadika any. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT