Politique

Ankolafy Ratsiraka Mitaky ny fihaonan'ny ankolafy 4


  • Zoma 07 Septambra 2012

Mbola miandry ny fihaonana an-tampon'ny filohan'ireo ankolafy 4 ny ankolafy Ratsiraka, izay vao hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

 Izay no fanampim-panazavana avy amin'ny Pr Ange Andrianarisoa, lehiben'ny delegasion'ny ankolafy Ratsiraka. Mangina tanteraka efa am-bolana maromaro izao ireo ekipan'i Deba, tsy nandrenesam-peo momba ny datim-pifidianana, ny dinika tany Seychelles sy Maputo fa toa nitazan-davitra izay mitranga fotsiny. Tsy nanasonia ny tondrozotra ny ankolafy Ratsiraka, ary mitaky ny tokony hihaonan'ireo filoham-pirenena telo, teo aloha sy ny filohan'ny tetezamita. Io ilay diniky ny ankolafy 4 tany “Maputo 1”, izay ary izay ihany no mety amin-dRatsiraka sy ireo mpiara-dia aminy. Ny Amiraly moa dia fantatra fa any Parisy amin'izao fotoana, mbola salama tsara ary tsy mbola manana eritreritra ny hiverina eto Madagasikara. Azo atao hoe tsy nahavaha olana ny fanasoniavana ny tondrozotra fa dia mbola, natao indray ny fihaonana teo amin'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Tsy mbola hita ihany anefa ny marimaritra iraisana, koa mety azo eritreretina ihany, atsy ho atsy ny hihaonan'ireo filohan'ny ankolafy 4 ary dia hitatra any amin'ireo vondrona politika hafa izany, avy eo.

Efa samy nitondra firenena izy efa-mianaka ireo, mahafantatra tsara koa ny zava-miafina amin'ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ny any ivelany, no sady mahatsapa tsara fa miha mahantra isan'andro ny vahoaka, koa raha tsy mipoitra haingana ny vahaolana dia hifamono an-toerana eto ihany ny samy Malagasy. Ny mpanara-baovao koa anefa dia mahatakatra tsara fa manana kajy politika ny ankolafy Ratsiraka : tsy te ho ratsy endrika amin'ny tsy fahombiazan'ny tetezamita iaraha-mitantana ity ankolafy ity, te hijoro ho mpanavotra sy mpampihavana, ka hambabo ny fon'ny olona amin'ny resaka fampihavanana avy eo. Azo antoka fa tsy maintsy hanolotra kandida amin'izay fifidianana ho avy eo i Deba, izay hita fa mbola mangetaheta fahefana, tsy fomban-dRatsiraka anefa ny mizara fahefana izany, ka mety izay no tsy dia mampazoto firy azy hiditra tao anaty tetezamita. Tsy mbola fantatra moa ny hisian'ity fihaonan'ny ankolafy 4 ity, tsy hay na hisy na tsia ilay izy. Mandra-piandry izay izany dia hangina sy tsy handrenesam-peo mihitsy ny ankolafy Ratsiraka ary mijanona ho mpitazana fotsiny ihany aloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT