Ankolafy 4 Ambohidratrimo

> Manohana an-dRatrema William


  • Alarobia 28 Aogositra 2013

Tsy misy olana ny fiarahanay avy amin’ny firehana maro samihafa, fa mifanara-tsaina tsara izahay ireo, ary izay hahasoa ny firenena no tanjonay. Io no nambaran’Atoa Rakotoarimanana Josefa izay Ben’ny tanànan’Ivato seranana teo aloha, no sady mitarika ny fitambaran’ny firehana avy amin’ny ankolafy efatra eny amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo izy amin’izao.

Ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy sy Rajoelina no tian-kambara amin’ny hoe : ankolafy 4 eto. Tsy misy mpanao politika efa fanta-daza izy ireo, fa olona mpankasitraka ireo firehana ireo no mivondrona mba hifankatia sy hifampizara. Mila filoham-pirenena afaka hampody an’i Marc Ravalomanana ho eto an-tanindrazana izahay, hoy ny fanazavany ary filoha tsy hanenjika ny mpitondra tao anatin’ity tetezamita ity, ka tsy hisy intsony ny mpitondra voatery hanao sesitany ny tenany toy ny hita teo aloha. Io filoha hotohananay io ihany koa, dia olona mbola madio, raiamandreny, ary afaka hamoaka ny gadra politika sy hanokatra ny haino aman-jery rehetra. Hametraka ifotony ny fahalalahana miteny, ary hanokatra ny Kianjan’ny demokrasia ho an’ny rehetra te haneho hevitra.

Rehefa nandinika izahay mpikambana rehetra mahatratra an’arivony amin’izao, hoy ity Ben’ny tanàna teo aloha ity, dia ny kandida Ratrema William no afaka hanao izany, satria io no hita sy nanambara fa tsy hanangana antoko politika raha lany eo, ary hampitambatra ny Malagasy rehetra, sy hamerina ny hasin’ny vahoaka ao aminy. Io kandida io ihany koa, hoy izy ireo no nanambara fa dimy taona ihany ny fotoana hitondrany raha lany dia tsy hilatsaka intsony. Rehefa nandinika izahay rehetra ireto, hoy Rakotoarimanana Josefa dia io no mety aminay, satria efa tsy nisy nilatsaka ihany ireo filoha efatra mirahalahy, koa aleo izay afaka hambitambatra haingana ny Malagasy rehetra no tohanana. Milaza ny hanitatra izao fomba fijery izao amin’ny faritra samy hafa ireto mpikambana ireto.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT