Politique

Ankoatra an-dRavalomanana Tadiavina hosamborina koa i Manandafy sy Ravatomanga ?


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Notemerin’ny Emmo-Reg indray omaly ny kianjan’ny Magro Behoririka.

 Efa tsy dia mahagaga ny mpitolona ao intsony ny amin’io. Ny nahatalanjona omaly anefa dia ny fikasan’izy ireo hanatitra taratasy fiantsoana ho an’i Manandafy Rakotonirina (MFM) sy Ravatomanga Rolland (TIM), izay samy mpitarika eo anivon’ny Ankolafy Ravalomanana. Araka ny vaovao dia teny amin’ny Magro no noheverin’ireo miaramila hanaterana ilay “convocation”. Tsy nahita ireo olona tokony ho nampanantsoina anefa ireo iraka ka nifindra lasy teny amin’ny toeram-pivoriana Bel Air indray. Fanontaniana no apetrak’ireo nanatri-maso. Toerana tokony hanaterana ilay taratasy ho an’ireo olona ireo ve I Magro sy Bel Air ? Manana trano fonenana ara-dalàna izy ireo fa tsy sanatria hoe SDF (Sans Domicile Fixe) ? Tsy miherina akory ity ny andro nanaovan’ireo ankolafin-kery politika ny sonian’ilay sori-dalana izay niarahan’ny rehetra nanaiky dia efa manomboka ny fisambotsamborana etsy sy eroa. Malaza amin’izany ny filazana handefasana miaramila hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo, izao indray dia ry Manandafy sy Ravatomanga no tadiavina kitihana. Fitoniana sy fampihavanam-pirenena anefa no dradraina ary miantomboka amina finiavana sy fahavononana politika izany.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT