Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.
Nahatsiaro izy ireo fa latsa-danja ny fomba hitantanana ny fitsarana ny fifidianana eo anivon'ny fitsarana, izay misahana ny fikirakirana ny voka-pifidianana kaominaly, natao ny 27 novambra lasa teo. Tsy mihambo hitovy amin'ireo mpitsara akory izahay, fa mba tsy rariny kosa ny elanelana misy amin'ny fitondrana anay, hoy izy ireo. Niroso tamin'ny fitokonana noho izany izy ireo, saika manerana ny Nosy. Nisy ny fihaonana tamin'ny minisitry ny fitsarana sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ny sendikan'ny mpiraki-draharaha. Tsy nivaha anefa ny olana, ka hisy indray anio ny fihaonana miaraka amin'ny Sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny asa sy ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitsarana hamahana ny olana. Manamafy hatrany anefa ny sendikan'ny mpiraki-draharaha fa mitohy hatrany ny fitokonana manerana ny Nosy anio zoma 06 desambra 2019.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.