Politique

Ankilabao


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011


 Mandingana volana vaovao indray isika ry Jean. Raha ny fiainana ankapobeny anefa dia toa ny omaly ihany ny anio. Matetika aza dia toa vao mainka miha ratsy ity fiainana ity, mihasarotra ka tsy hita izay tena marina. Ho avy ity ny fidiran’ny mpianatra, samy manao izay takany ny tsirairay. Teo aloha dia nisy ihany ilay antsoina hoe : “kit scolaire”. Ankehitriny anefa ry Jean, dia toa miha manjavona izany. Hany herin’ireo ministera dia ny mizara kojakoja ho an’ireo zanaky ny mpiasa. Dia fanontaniana mipetraka ry Jean hoe ahoana ireo tsy mpiasam-panjakana raha ny ministera no hisahana izany ? Tsy voatery ho ireo ministera rehetra koa anefa no hanao ny fizarana, dia hangahiahy toa an’Ìlay Sabotsy ny kilonga mahatsiaro tena ho niangarana ka tsy nahazo anjara. Ny any ambanivolo moa izany tsy resahina intsony. Dia izany ve ry Jean no fiovana nampanantenaina teto. Sorisorin-tsaina ho an’ny katita, satria hahatsapa izy fa natao ankilabao. Aoka marina ry Jean !

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT