Politique

Ankadinandriana Avaradrano Miandrandra ny fiverenan-dRavalomanana ny tantsaha


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Nanao fanentanana amin’ny fiomanana amin’ny fitsenana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny Union des Association Zanak’i Dada, anisan’izany ny natao ny zoma 02 septambra teo, tany amin’ny Kaominina Ankadinandriana distrikan’Antananarivo Avaradrano.

 Nandritra izany no nampitan’ny mponina tamin’izy ireo ny alahelony ny amin’ny manjo ny firenena sy ny fahasahiranan’izy ireo eo amin’ny asa fihariany, toy ny halafosan’ny vidin-jezika sy ny provandy, ary ny koa ny fahalafosan’ny fanafody. Tena faly ireo tantsaha nahare fa ho avy ny filoha Marc Ravalomanana, hamaha ny krizy ary nanome toky fa hitsena azy avokoa amin’ny fahatongavany satria mino ireo tantsaha ireo fa ny filoha Ravalomanana no afaka mitarika ny fampandrosoana ny Malagasy, ary matoky azy tanteraka ny tantsaha maro an’isa. Mahatsiaro ny fanampiana nataony tamin’ny fampianarana ny zanakay izahay, ary manantena fa ny fahatongavany ihany no hanala ny krizy iainantsika amin’izao, hoy ireo tantsaha. Nisy ny fanazavana sy fampitam-baovao mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny ka nanazava tamin’ireto tantsaha ny sakana nataon’ny FAT tsy mampivaha izao krizy izao. Nanamafy izy ireo fa hanohana ny tolona amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana amin’ny sehatra rehetra misy azy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT