Politique

Anjerimanontolo Potehin’ny FAT ny tanora


  • Alarobia 25 Jolay 2012

Taorian’ny fandraofana ny fitaovan’ny SEMPAMA teo amin’ny Kianjan’ny 90Ariary Anosy dia nisambotra mpianatra teny Ankatso indray ny EMMO-Reg omaly. Natao hazalambo ireo mpianatra mitaky ny zony.

 Tovolahy mpianatra ao amin’ny taona faharoa amin’ny lalampiofanana Fizika-Simia an-dalana hamonjy fodiana, taorian’ny «sit-in» nataon’ny mpianatra no nosamborin’izy ireo. Tondro molotra avy amina «Receveur Taxi-Be 119» no nahavoasambotra azy, araka ny fanazavan-dRavelomanantsoa Berija, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny sampampiofana fitsaboana, nitondra ny tenin’ny mpianatra. “Mitaky ny hamoahana io mpianatra io izahay”, hoy izy ireo.

 

Mizana tsindrin’ila

Nivoaka ny faritry ny oniversite ary nitokona teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe 119 ny mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo omaly rehefa leo ny bemarenina sy ny mizana tsindrin’ila ataon’ny mpitondra. Talohan’io dia noravain’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy siansa mahaolona ary ny fakiloten’ny Siansa ny fampianarana efa mandeha amin’ny fakiolte hafa, indrindra ny tao amin’ny sampam-piofanana fitsaboana sy ny DEGS. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina io. Tsotra ny antony : “mila atao mitovy lenta ny samy mpianatra”, hoy izy ireo. Tsy mbola misy tokotaniny tokoa mantsy ny fidirana ho an’ny fakiolten’ny teny sy siansa mahaolona ary ny ny fakiolten’ny Siansa raha efa roa na telo volana no nanomboka ny taom-pianarana amin’ny fakiolte hafa.
 
Any amin’ny fanjakana ny baolina satria ny SECES dia tsy manaiky hampianatra raha tsy mahazo ny fitakiany. Rehefa rava avokoa ny fampianarana tamin’ny 11 ora teo ho eo tamin’io omaly io dia nifanentana ny samy mpianatra ka nidina teo amin’ny faritra fijanonan’ny taksibe 119 ary nipetraka nibahana ity toerana ity hatramin’ny mitatao vonona sy sasany teo ho eo. “Mety misy mametra-panontaniana hoe maninona ireo efa mianatra no ravaina dia manambara izahay hoe mety ho tapaka koa ny fampianarana amin’ireo efa mianatra ireo noho ny tsy fisian’ny vola fampandehanana ny oniversite ka tsy aleo alamina aloha”, hoy Ravelomanantsoa Berija. Raha ny resaka henon’izy ireo dia 2%-n’ny tetibola fampandehanana ny oniversite ihany no ao amin’ny kaontin’ny “Agent Comptable”. Nanamafy koa Ratovomaherison Manoa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny DEGS fa efa tokony ho nandray vatsim-pianarana sy fampitaovana ny mpianatra telo volana aorian’ny fanombohan’ny taom-pianarana saingy matoa izay tsy mbola tanteraka dia tsy misy ny vola. Milaza ny hanamafy hatrany ny hetsika izy ireo mandra-pahazony ny fitakiana.
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT