Mandritra izany no hahafantarana misimisy kokoa ny tena antony nanasan’ny fanjakana Malagasy an’i Ban Ki Moon ho avy eto. Ary rehefa tonga eto izy dia inona no vokatra azo tsapain-tanana ho an’i
Madagasikara sy ny Malagasy izay mitombo isa isan’andro ireo sahirana ? Tsinjo ihany ny paikadin’ny filoham-pirenena hoe haka ny fon’ity diplaomaty iraisam-pirenena manana ny maha izy azy ity ka avy eto mety mba hitobaka ihany ny famatsiam-bola angamba. Fa amin’ny ankapobeny aloha dia fomba fiady politika ny fitsidihana tahaka izao ary manome lanja manokana ilay filoham-pirenena. Handaitra ve izany ho an-dRajaonarimampianina ? Tsy misy afa-tsy fimenomenomana sy grevy mantsy no hita eto, olana atsy, savoritaka aroa…Efa tena malaza ratsy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona i Madagasikara, mbola tompondakan’ny fandripahana ny harem-pirenena ihany koa. Fa ny tena iainana isan’andro dia ny gaboraraka sy kolikoly amin’ny sehatra rehetra, izay tena ahatsapana fa sady tia tena no tsy mahavita azy ilay fitondram-panjakana. Ka ankoatr’ilay firesaka ara-diplaomatika mampiasa voambolana tsy manafintohina dia andrasana izay tena fahitan’ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana ny zava-misy eto. Efa azo antoka mantsy fa manana antontan-kevitra arahana tarehimarika mifandraika amin’izany izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.