Politique

Angovo tsirazizary eto Madagasikara Vonona hitondra vahaolana ny Kanadianina


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Nihaona sy nifampiresaka voalohany ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau omaly tany Adis-Abeba any Ethipie.

 

Fihaonan’ny samy mpitondra ambony tanora ambara fa mitovy fijery amin’ny fampandrosoana mifototra amin’ny tanora sy ny toekarena maitso, hoy ny fampitam-baovaon’ny fitondrana. Nivoitra ny fanafamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta. Hidirana lalindalina kokoa ny lafiny fampianarana sy ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny tontolon’ny angovo izay tena hasehon’ny Kanadianina ny fahaiza-manaony. Ny 81 amin’ny angovo manodina ireo indostria any Kanada dia avy amin’ny angovo azo havaozina avokoa.  Navoitra rahateo fa velirano faha-2 nataon’ny filoha ankehitriny izy ity ka tanjona ny hanomezana herinaratra sy rano ho an’ny rehetra. Notsiandrian’ny praiminisitra Kanadianina ny fampiroboroboana ny indostria mba hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, famoronana asa tena goavana sy mafonja, ny fifandanjan’ny fifamezivezena ara-bola eo amin’ny fanondranana sy ny fampidirana entana,… Miankina betsaka amin’ny famokarana angovo mahomby sy maharitra ny firoboroboan’ny indostria eto Madagasikara, hoy io praiminisitra io. Hatreto anefa, dia anisan’ny lafo indrindra aty Afrika ny angovo eto Madagasikara, ary faha-161 amin’ny firenena 180 isika. Zara raha ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, kanefa sady lafo no tsizarizary. Naneho ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitadiavam-bahaolana mahomby sy maharitra ny Kanadianina. Ara-tontolo iainana kosa dia nanomboka tamin’ny taon-dasa ny tanjona hamboly hazo 2 miliara any Kanada, raha fanamby hapetraka eto Madagasikara ny handrakotra ala. Eo amin’ny tontolon’ny fampianarana dia hohamafisina ny fifanakalozana satria misy mpianatra Malagasy maro any. Andrasana izay ho vokatra fa ny resaka ambony latabatra aloha dia manga tokoa.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT