Feno iray volana omaly no nitondran`ny ekipan`ny TGV ny firenena. Nitondra ny heviny mahakasika izany ny sekretera jeneraly lefitry ny antoko AREMA, Ange Andrianarisoa.
Nomarihany teny am-boalohany fa ny antoko Arema dia manana ny foto-kevitra ijoroany ka tsy maintsy miantefa indrindra amin`ny zavatra tiana hotanterahina. Miompana amin`ny teboka efatra ny tsangan-kevitry ary mbola takiany izany. Voalohany, fanomezana ny tombontsoa ho an`ny olom-pirenena tsirairay ary tombontsoa iombonana ho an`ny firenena. Manaraka izany, ny fankatoavana soatoavina repoblikanina toy ny firaisam-pirenena, fiandrianam-pirenena, tsy fifangaroana ny raharam-panjakana sy ny finoana ary ny fanajana sy ny fiainana ara-demokratika. Fahatelo, ny fanabeazana ny olona amin`ny maha olona azy ary ny teboka farany ny fanajana ny tontolo iainana sy harena voajanahary. Izany no antoky ny fampandrosoana ara-drariny sy mirindra. Notsipihan`ity sekretera jeneraly lefitra ity fa ny firaisam-pirenena no tadiavina amin`izany. Ny fanomezana andraikitra isaky ny ambaratonga ka tonga amin`ny fitsinjaram-pahefana. Maro ny olona te handray andraikitra amin`ny fiarahamonina (faritra, faritany, fokontany…) kanefa te hahaleotena amin`ny fitantanana raharaham-panjakana, fitantanana ara-bola mba hanomezana andraikitra ny rehetra. Izany no tadiavin`ny antoko Arema, hoy i Ange Andrianarisoa, ka raha toa ka izany no atao dia tena fampandrosoana tanteraka ho an`ny Malagasy. Ekena fa ao anatin`ny 100 andro tsy hitsikerana amin`izao fa kosa mety ve ny asa atao ? Teo ny delestazy ka nilaza ny fitondrana fa hiezaka hampitombo avo roa heny ny herinaratra. Miezaka maka ny fanapahan-kevitra saingy tsy ampy. Ny tsy fandriampahalemana dia tsy tokony himasoana hatrany ny famerenana ny filaminam-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavana. Ny antoko Arema kosa dia mivonona hilatsaka ary hanome olona amin`ny fifidianana solombavambahoaka izay hotanterahina amin`ny 27 mey ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.