Manao bemidina, tonga masiaka eto amintsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena, dia ny iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina, ny SADC ary ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana hanao tambabe hanery ny fampiharana izay hevitra tapaky ny GIC-M tany Addis Abeba ny 26 jona lasa teo.
Tsy inona moa izany fa ny fisintahan’ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Iretsy roa voalohany hatry ny omaly dia hentitra nilaza fa tsy hitsoaka an-daharana izany. Tsy mbola fantatra tsara kosa ny fahasahian’ny Amiraly. Ankoatra izay dia mitaky ny hanovana ny CES ihany koa ireto vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ireto ary milaza fa tokony hotanterahana haingana ny fifidianana filoham-pirenena. Efa nampitovy tadin-dokanga ihany ny vondrona politika nanasonia ny tondrozotra omaly, ka asa izay zavatra hitranga rehefa mifanatrika amin’ireo sehatra iraisam-pirenena ireto izy ireo.
Diplaomaty mahay miresaka sy mandambolambo tokoa mantsy izany Joaquim Chissano (SADC) sy Jean Claude de l’Estrac (COI) izany. Tsy vitan’izay fa mety mbola handrangaranga indray ny sazy ho an’ireo rehetra tsy manatanteraka ilay fehin-kevitr’i Addis Abeba ireto iraky ny sehatra iraisam-pirenena ireto. Haharitra hatramin’ny sabotsy ho avy izao ny dia ka azo antoka fa tena hafana ny adihevitra manomboka anio. Andrasan’ny maro ny mety ho fihaonan’ireto mpanelanelana ireto amin’ireo kandida telo, raha toa ka hisy izany. Tsikaritra anefa fa mifanipaka ihany ny fomba fijery eo anivon’ny GIC-M fa ny Frantsay sy ny ekipany no tena manosika mafy ity fanilihana kandida ity, fa raha ny Amerikanina dia hita ho tsy manana olana amin’ilay kandida 41.
Raha tena misy tokoa ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy na inona na inona firehana politika misy azy dia tsy afaka ny hanindry bokotra eto foana ry Chissano sy ny tariny, fa raha mbola misy kosa ny mpanao politika mpisolelaka sy mpila ranondranony amin’ny vahiny, indrindra fa ny Frantsay dia hanao izay tiany eto ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, manampy trotraka fotsiny ny COI. Tena hanan-danja tokoa noho izany ity herinandro ity, ary fotoana izao hanehoan’ny mpanao politika Malagasy, fa mahiratra sy mahavita azy izy ireo, ary sahy manohitra am-pisainana tsara ny tsindry bokotra ataon’ny avy any ivelany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.