Politique

Andry Rajoelina Voatsipaka ambavafo tao Amoron’i Mania


  • Alarobia 22 Mey 2013

Maro amin’ireo vahoaka any Amoron’i Mania nanaovana fanadihadiana mikasika ny toe-draharaha politika ankehitriny no talanjona amin’ny fanohanan’ireo mpitondra akaikin’i Andry Rajoelina olon-kafa any amin’ny Faritra.

 Notsipahin’ireo olona napetraka hitantana ny Faritra ambavafo ity Filohan’ny tetezamita ity ka tsy tahotra tsy henatra manohana olon-kafa izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay ho avy izao. Ho an’ny Faritra Amoron’i Mania manokana dia nanakoako tao Ambositra ny sabotsy 18 mey lasa teo ny kongresin’ny fikambanana antsoina hoe : “Kifanomba”, an’ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania Niantsoana Ben’ny tanàna maromaro hanatrika ity fihaonana ity, maro anefa no tsy tonga noho ny antony politika. Fanohanana ny kandida Hajo Andrianainarivelo sy fahavononan’ny Kifanomba hiatrika fifidianana no fehin-kevitra nivoaka. Eo no mipetraka ny ahiahin’ny mpanara-baovao.

Miharihary izao ny anton’ny fangatahan’ny mpanao politika maro tany an-toerana efa hatramin’ny taona 2010 ny hanesorana azy, hoy Atoa Randriamasindray Rolland, olon-tsotra ao Ambositra. Ity Filohan’ny Faritra ity, hoy ity  farany no mpamorona sy mpanohana ny Kifanomba izay manohana an’i Hajo Andrianainarivelo. Ho sarotra, araka izany, ny hahazoan’i Andry Rajoelina vato ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania satria na ny mpitondra napetrany aza manohana olon-kafa. Maro amin’ny olona nanontaniana no nangataka ny tsy tokony hanemorana ny fifidianana sy hirotsahan’izy 41 mianadahy mianaka tsy azo bangàna.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT