Malemy tanteraka ny fitondrana tetezamita manoloana ireo fitakiana sy fitokonana miseho lany etsy sy eroa.
Tsy mety hita ny tena vahaolana, tsy vita ny mikaroka ny marimaritra iraisana ary tsy sahy tena mampihatra ny fahefana ananany amin’ny maha filoham-panjakana azy i Andry Nirina Rajoelina. Miakatra daholo ankehitriny ny vidin-javatra, kanefa dia tsy naharenesam-peo ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra mivantana. Ny minisitry ny solika ihany izao no mba sahy nampiantso mpanao gazety nanazava ny antony tsy maintsy nampiakarana ny vidin-tsolika, fa ny ankoatr’izay dia tsy hita popoka. Nampiakatra ny saram-pifandraisana ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra, ny solika moa iny efa tsy tana iny ny fiakarany, atsy ho atsy tsy maintsy hiakatra ny saran-dalana satria ny vidin-tsolika tsy hidina izany mihitsy. Ny miaramila dia io manao ny ataony io, mitaky ny hampihenana ny tataon-ketra alaina amin’ny tambin-karamany.
Sarotsarotra ihany ho an’ny mpitondra fanjakana, indrindra fa i Andry Rajoelina, ny hanao be marenina ka hiziriziry sy hidrikina amin’izany fa dia tsy maintsy omena fahafam-po aloha ny be sandry sy tompon’ny basy, satria tsy nahazo fitondrana izy raha tsy ireo. Mety efa natoritory teny Antanimora na nihidy tany Tsiafahy i Andry Nirina Rajoelina raha toa ka tsy nanampy sy nanohana azy ny miaramila sy ny zandary ary polisy sasantsasany ka lohalaharana tamin’ireny ny CAPSAT sy ny FIGN. Tsy misy afaka mandà mihitsy fa tena volabe no nomena ny miaramila tamin’ireny 2009 ireny mba tsy handray baiko intsony avy amin’i Marc Ravalomanana sy ireo manamboninahitra mbola niaraka taminy. Efa nijoro vavolombelona ary namaky bantsilana izany rahateo ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, tamin’ny faramparan’ny taona 2010 sy ny fiandohan’ny taona 2011. Nisesy ny volana, nifandimby ny taona, dia io mbola mitranga io ihany ny olana ara-bola.
Nozarina loatra nampihantaina sy nomena volabe angamba ny foloalindahy ka dia lasa tsy mety amin’izy ireo intsony ny mandoa hetra, na mandoa ihany izy ireo fa amin’izay tiany, ary tsy ny fanjakana no mametra izany. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny afitsok’ireo mpandraharaha teratany vahiny goavana sasany eto amintsika, tsy te hahalala ny krizy sy ny fahasahiranan’ny vahoaka izy ireo fa dia ny mampiakatra sarany mba hahazoany tombony betsaka ihany no mahamaika azy. Tamin’ny herintaona ireo mpandraharaha amin’ny resaka solika no nanaiky ny tsindry bokotra avy amin’ny FAT, ka tsy nampiakatra ny vidin-tsolika, fa ankehitriny kosa tsy hanaiky intsony izy ireo, dia iny koa fa nampisondrotra ny saram-pifandraisany ireo mpandraharaha amin’ ny telefaonina. Sarotra ho an’ny fanjakana ihany koa ny hampiverin-dalana azy ireo, tsy misy koa ny vola hanaovana «subvention», dia ny vahoaka izany no mifafa ny kihony. Azo ambara fa voan’ny natao ry Andry Rajoelina ary tena tsy afa-mihetsika mahery fa sao dia …ivadihan’ireo mpanohana azy fahiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.