Manjavozavo be ihany ny zavatra tena tian’ny filohan’ny tetezamita hatao, misy fotoana izy toa miseho ho tena tia tanindrazana manindraindra ny fiandrianam-pirenena ary tena manentana mihitsy ny Malagasy hijoro sy hanohitra ny didin’ny be sandry ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto.
Rehefa milatsaka anefa ny teny midina avy any amin’ny GIC-M dia toa mihazakazaka ihany Atoa Andry Rajoelina manatanteraka ilay “didy 7”, ka herinandro monja dia lany teny amin’ny Parlemanta ilay volavolan-dalàna ary efa nilaza tamin-dry Joaquim Chissano sy Lamtane Lamamrma mihitsy ny filohan’ny tetezamita ny alakamisy hariva teo fa hoe : vonona ny lalàna ho fanovana ny CES, nomeny fe-potoana hatramin’ny alakamisy izao ireo sehatra tokony hanolotra solontena ho mpikambana ao anatiny mba hamoaka ireo anarana.
Mibaribary eto fa manao politikan’ny misabaka i Andry Rajoelina, ka sady manindraindra ny resaka fiandrianam-pirenena, no misolelaka ihany koa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Io tsy fananan’ny foto-kevitra mazava ijoroana io no nampaharitra ny tetezamita tahaka izao, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy. Na nisy ny mpanohitra na tsy nisy, dia afaka nanatanteraka fifidianana tsara ny fitiondrana tetezamita teto raha nahay nandamina ny firenena sy nanana fahavononana. Tsy sarotra ho an’i Andry Rajoelina mihitsy ny nanatontosa fifidianana raha tena nanohana azy ny vahoaka. Ny mpanakiana sy mpanatsatso tsy maintsy misy, fa rehefa ao an-damosinao ny vahoaka dia sakana azo ihoarana tsara izany. Maro no tena resy lahatra izao fa ny hijanona maharitra eo amin’ny fitondrana no tena masaka ao an-tsain’ny ankolafy Rajoelina fa tsy ny famahana ny krizy.
Satria tena tsy hita mihitsy ny antony lehibe tsy nanaovana fifidianana tato anatin’ny efa-taona, milaza fa manambola ny fitondrana tetezamita, ambara fa iray tsy mivaky ny foloalindahy ary tsy handray fahefana, noresahana teto foana fa afaka niasa, nanorina sy nanangana ny tetezamita na dia tsy nisy fanampiana ara-bola avy any ivelany aza, voaloa foana ny karama, ankoatra ny fitakiana etsy sy eroa izay tsy lasa lavitra. Ka inona ary no tsy namitana ny fifidianana solombavambahoaka ohatra ? Natao avy eo ny fifidianana filoham-pirenena, ary raha matoky tena fa tena mamim-bahoaka marina i Andry Rajoelina dia efa lasa filoha voafidy tahaka izay. Inona no nandrasana, sa ve rehefa nailiky ny Frantsay tampoka i Andry Rajoelina vao tena nikorapaka, sa tena mbola hafa mihitsy ny kajy any ambadibadika any ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.