Politique

Andry Rajoelina Tsy vahaolana ny fampiasan-kery


  • Alarobia 29 Jona 2016

Niala tamin’ny fahanginany ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, taorian’ny zava-nitranga teo Mahamasina ny harivan’ny 26 jona,

 

 nankalazana ny fetim-pirenena, nisian’ny fipoahan-javatra nahafatesana olona telo sy naharatrana 86. Tamin’ny fanambarana nataony omaly niaraka tamin’ny Vondrona MAPAR tarihiny dia manameloka tanteraka ny fandatsahan-dra sy ny fandratrana ny samy Malagasy ary manamafy hatrany fa tsy ny fampiasan-kery no vahaolana eto amin'ny Firenena izay efa latsaka an-katerena tanteraka.

Naniraka ireo solombavambahoaka MAPAR teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha namangy sy nampahery ireo tra-doza teny Mahamasina i Andry Rajoelina ny alatsinainy 27 jona  ary naneho ny firaisam-po amin'ny havana izay tra-pahoriana. Nanolotra fanampiana isam-pianakaviana ho an'ireo marary tamin'ny anarany ireo solontena tonga teny an-toerana, ary niondrika sy niaraka ory amin'ny fianakavian'ireo nindaosin'ny fahafatesana.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT