Tsy dia re feo intsony tato ho ato izay ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Tamin’ny faran’ny volana jona nanatrika ny lalao rugby nihaonan’ny XV Makis sy ny Zimbaboeana izao no nahitana azy farany imasom-bahoaka, tsy dia re feo firy aza izy tamin’io
Na dia nahazo fanasana ihany koa aza izy dia tsy nanatrika ny lanonana rehetra tamin’ny fetim-pirenena ny 26 jona. Eto Antananarivo ihany anefa i Andry Rajoelina, raha araka ny fahafantarana azy sy ny filazan’ireo olona akaiky azy. Tsikaritra ihany koa fa tsy mivoaka na mivezivezy any ivelany ny tenany fa dia raikitra eto an-toerana. Araka ny tsiliantsofina re dia tsy hoe tsy te ho any andafy Atoa Rajoelina fa manahy sao ho tratry ny NOTAM raha mivoaka ka tsy afaka hiditra eto Madagasikara intsony. Iaraha-mahalala ihany mantsy fa tena niha ratsy ny fifandraisany tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ity farany izay efa nampiseho fa izy indray izao no lehibe ka tsy azon’ny Mapar tarihan-dRajoelina baikobaikoina izany intsony. Maro be rahateo ny feo mandeha fa efa manomana sahady ny fifidianana amin’ny 2018 ny HVM ka mitady ny paikady hanilihana dieny izao sahady ireo kandida ahiana fa mety hahazaka olona, na manelingelina ny tetika politika hijanonana maharitra eo amin’ny fitondrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.