Politique

Andry Rajoelina Tsy nampanantena ny miaramila intsony?


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Somary nahagaga fa hafa mihitsy ny fomba firesaky ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina nandritra ny famoahana ny andiana manamboninahitra faha-34 tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe ny zoma 26 jolay teo.

Asa na noho ny maha tao anaty Toby miaramila ny hetsika na ahoana fa tsy sahy nanao ireny kabary sy fampanantenana lavareny fanaony ireny ny tenany na dia fantatra aza fa nisy ny fangatahana nataon’ny Komandin’ny sekoly amin’ny hanamboarana ny dobo filomanosana manana fenitra olympika ao amin’ny Akademia miaramila. Isan-taona, hoy izy dia misy hatrany ny zava-baovao eto amin’ity sekolin’ny manamboninahitra ity hampandrosoana ny fampiofanana eto ka raha tsiahivina dia nisy ny fametrahana ny fitaovana fikotranan’ny miaramila izay manaraka ny fenitra hoy izy, mba tsy hilazana fa “manara-penitra”.

Nisy indray ny fanoroan’ny komandin’ny sekoly ilay dobo filomanosana izay ilana fanamboarana, ka dia aleo aloha hodinihina ny momba an’io fa ny fandaharam-potoana rehetra dia tsy isika no mandahatra izany fa an’Andriamanitra ka raha mbola velon’aina sy afaka manao isika dia atao izany fa ho hita eo. Nalefaka ery ny firesany fa tsy tahaka ny mahazatra mamaly avy hatrany izay fangatahana ataon’ny olona aminy. Lasa ny sain’ny mpandinika sy ireo nanatrika, indrindra ny sivily fa toa misy zavatra toa mampiahiahy ny filohan’ny FAT ve ka aleo tsy mampanantena aloha sao dia miova ny toe-draharaha ? Nionona fotsiny tamin’ny fampatsahivana ny andraikitry ny foloalindahy ny tenany ka nilazany fa ianareo hatrany no hifatraran’ny olona rehefa misy trangana tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ka nilazany ihany koa fa tsy ireto andiany nivoaka ireto ihany no tokony ho Andrin’ny Firenena fa ny foloalindahy rehetra mihitsy.

Nampiavaka ny hetsika ihany koa dia sambany tamin’ny famoahana manamboninahitra teto amin’ny Akademia Miaramila ihany koa angamba no tsy nandrenesana lahateny tamin’ny teny vahiny mihitsy tamin’ireo nandray fitenenana rehetra, indrindra fa ny teny Frantsay tamin’io fotoana io. Asa noho ny hambo amin’ny fahatapahan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika frantsay sy Malagasy angamba satria tsy tazana niatrika ny lanonana ihany koa ny tompon’andraikitry ny tafika frantsay izay miasa sy monina ao amin’ny Akademia miaramila.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT