Politique

Andry Rajoelina «Tsy mpangala-bato aho”


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Ny taona 2019 dia fifidianana roa no tanterahana : solombavambahoaka sy ben`ny tanàna ary mpanolotsaina.

 

 

 

Niely ny feo fa nikononkonona fangalaram-bato ny filoham-pirenena sy ny tompon’andraikitra teo anivon`ny CENI ka nanatanteraka fihaonana matetika teny Iavoloha tamin`ireo fifidianana roa ireo. Nandiso izany ny filoha omaly. Tsy mora no manao zavatra, hoy izy, satria vahoaka maro no soratana ao anatin`ny lisi-pifidianana. Maro ny dingana arahina mba handeha araka ny tokony ho izy. Nohamafisiny hatrany fa tsy mpangala-bato izy ary tsy nanome toromarika tamin`izany. Notsindriany fa sakana amin`ny fampandrosoana firenena ny tsy fitoviana hevitra sy firehana ara-politika kanefa firenena iarahana manana. Raha ny fampandrosoana ny firenena no katsahina dia tokony hifanome tanana ny rehetra, hoy ihany izy. Nandritra ny fiarahabana ny governoram-paritra indray dia nohamafisin`ny filoha ny anjara andraikitr`izy ireo.  Notsindriny hatrany ny asa goavana miandry ny governora eo amin`ny fampandrosoana eny ifotony toy ny lafiny soslialy. Velirano dia zava-dehibe ny fampandrosoana. Tsy tokony hisy intsony ny distrika adino. Hisy ny tombana atao amin`ireo governora amin`ny fanatanterahana ny asa nampandraketana azy. Mila mametraka ny laharam-pahamehana ihany koa sy mampivondrona ireo ben`ny tanàna sy solombavambahoaka. Nambarany hatrany fa hotendrena tsy ho ela ireo governora ambiny. Tonga niarahaba ny filoham-pirenena noho  ny asaramanitry ny taona vaovao teny amin`ny  lapam-panjakana Iavoloha ireo governoram-paritra, ny CENI ary ny akademia Malagasy omaly.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT