Efa niteraka adihevitra goavana ilay fiara raitran’ny filoha naseho tetsy Mahamasina ny andron’ny fianianany ny 19 janoary teo. Fiara marika Cadillac Escalade mety hitentim-bidy hatrany amin’ny 4,4 miliara ariary.
Hita tany Toamasina nandritra ny fametrahana vato fototry ny lalàmbe migodana mampifandray ny seranan-tsambo sy ny lalàm-pirenena faha-2 indray ny fiara marika V8 raitra dia raitra. Aiza ho aiza amin’izany ilay politikan’ny fitsitsiana ? Efa niteraka resabe ny dia tany am-pita izay efa in’efatra hatramin’ny naha filoha azy. Mikasika ny asa ambara fa atao any Toamasina dia soa fa lala-manitsy na « voie rapide », izay 10km hatao 2 taona izy io. Raha « Autoroute » 300km izany tsy ho 60 taona vao ho vita ? « Projet Miami », afaka 3 herinandro no hivoaka ny « plan », Antananarivo Renivohitra izay renivohitr’i Madagasikara tsy misy resaka amin-dRajoelina fa tsy nifidy azy. Volam-bahoaka no miala amin'io na trosaina io na vola madiodion'ny fanjakana. Kaontenera ho an’ny olona sahirana eny La Réunion kely no tena zavatra tsikaritra nisongadina ho an’Antananarivo. Tsy tokony hisy tombo sy hala ny resaka fampandrosoana, raha tena mipetraka ho filohan’ny Malagasy tanteraka ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, saingy tsikaritra ho tratry ny ankilabao Antananarivo amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.