Politique

Andry Rajoelina Tsy mila an’i Rina ho ben’ny tanàna ?


  • Talata 26 Novambra 2019

Nifantoka betsaka tamin’ny propagandy an-kolaka hoenti-mandresy lahatra ny vahoakan’Antananarivo hisafidy ny kandidam-panjakana ny votoatin’ny fandaharan’ny filoha Rajoelina tamin’ny fahitalavi-panjakana omaly.

 

 Naneho an-kolaka izy fa tsy hiara-kiasa amin’ireo ben’ny tanàna tsy avy amin’ny antokony, indrindra fa eto Antananarivo. Niezaka mafy nanaratsy ny tenany. Potika, rava ny tanànan’Antananarivo ary maloto. Mbola hotohizana ve izany ? Izaho dia mahita fa tsy mendrika. Eo amin’ny Parvis dia toerana hampirantiana fa tsy hanaovana tsenabe. Tsy miditra amin’ny kesin’ny kaominina ny vola, ka izany ve no mbola hotohizana ? Masiso ny araben’ny fahaleovantena, ka tsy mendrika izany, hoy i Andry Rajoelina. Iza no olona afaka hampamirapiratra an’Antananarivo mba ho kapitaly maodely ? Nilaza ny hanokana 10 miliara ariary ho an’Antananarivo ary hanolotra kamio benina 15 izy satria maloto loatra ny tanàna. Ny fanjakana amin’ny alalan’ny SAMVA izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny rano no tokony hanala ny fako saingy tsy nanao ny fanjakana fa natao fahirano Antananarivo. Maninona no amin’izao fifidianana izao vao miteny an’izany ka natao fahirano hiaina ao anaty loto noho ny tsy fitiavana ny mpitondra Antananarivo ? Raha tsy ny kandidany izany ny lany dia tsy homena io vola sy fitaovana io ? Hita taratra fa raha vao misy ny fanoherana ny fampandrosoana eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny fitondrana foibe dia ny vahoaka sy ilay tanàna no lasibatra, hoy Rajoelina nitarika an-kolaka ny olona hifidy ny olona tohanany. I Rina Randriamasinoro atolotry ny TIM eto Antananarivo no mpifanandrina atahoran’ny fanjakana indrindra eo. Tsy hanana fanetren-tena hiara-kiasa amin’ny olom-boafidy hafa ivelan’ny ekipany ve izany ny Filoha ? Raha olona hisakana ny fandrosoana, raha olona efa nitantana fa namotika dia ataoko fa tsy afaka hiara-kiasa fa hisakana ny fampandrosoana tsy mety izany, hoy i Andry Rajoelina. Ny fanjakana tarihiny anefa no anisan’ny nigafy tamin’izany. Hatomboka eto ny cantine, EPP manara-penitra, trano fidiovana, tranomboky, hoy izy. Faniriako ny haha tanàna maodely an’Antananarivo fa izay no mendrika. Raha tiantsika Antananarivo andao hifanome tànana, hoy izy. Haharesy lahatra an’Antananarivo ve ny karazana takalon’aina sy fandrangarangana fahirano an-kolaka raha tsy ny olony no eo ?

HALA-BATO

Nilaza ho tsy mieritreritra hala-bato Rajoelina. Mino sy mahatoky aho fa tsy misy intsony izany. Tsy manomboka ve ny lalao dia lazaina fa mangalatra ny mpitsara ? Ny milaza fa misy ny hala-bato dia ireny no mpangala-bato. Efa resy izy izany. Sarotra ny hangala-bato eto Antananarivo izany. Tsy mahay mangala-bato sy tsy mpangala-bato izahay, hoy izy. Iza moa no hiteny hoe hangala-bato izahay fa ny ho avy no hamaritra azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT