Politique

Andry Rajoelina Tsy manao afa-tsy ny mandrava efa


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Mamato-tena i Andry Rajoelina. Zatra nilalao ny lalàmpanorenana 2010 sy mampivady amin’ny tondrozotra 2011 ka dia tafiditra anaty vovo ankehitriny. Tereny miaraka ampiharina ny fepetra tetezamita amin’ny lalàmpanorenana 2010 sy ny voalazan’ny andininy faha-14 ao amin’ny tondrozotra 2011 raha misy fahabangan-toeran’ny filohan’ny tetezamita, ka izay voa kenda.

 Fiaraha-mitantan’ny telo tonta “Triumvirat” dia ny praiminisitra, filohan’ny CST ary ny filohan’ny CT no manao ny asan’ny filohan’ny tetezamita rehefa banga ny toeran’ity farany, aorian’ny fametraham-pialany noho izy kandida. Tsy olana ny fampiharana an’io tamin’ny 2010 satria akama avokoa ireo filohan’ny andrim-panjakana amperin’asa tamin’izany. Ny jeneraly Camille Vital no praiminisitra, Raharinaivo Andrianatoandro no filohan’ny CT ary ny jeneraly Dolin Rasolosoa no filohan’ny CST. Nitsimbadika anefa ny raharaha rehefa nampiharina ny tondrozotra niarahana nanao sonia tamin’ny septambra 2011, satria tsy maintsy nifampizarana ny toerana, ka na dia mbola ny jeneraly Dolin Rasolosoa aza no filohan’ny CST dia niova an’i Beriziky Jean Omer (ankolafy Zafy) ny praiminisitra ary i Mamy Rakotoarivelo (ankolafy Ravalomanana) no filohan’ny CT.

Mikoropaka ary mivadibadika toa lela may ankehitriny i Andry Rajoelina nony injay hihatra ilay “Triumvirat” aorian’ny fametraham-pialany afaka herinandro. Matahotra ny sady ho very seza no ho very tombontsoa satria tsy misy akama intsony ireo, Rasolosoa Dolin akama taloha aza lasa adversera satria nilatsaka hofidiana ihany koa, hany ka mitady handrava efa indray i Rajoelina. Hatrany amin’ny lalàna avy ankehitriny no itadiavany hirika hokitihina. Farany teo dia nisy ny fikasany hamoaka didy hitsivolana hiarovana ny toerany sy ny tombontsoany ary ireo mpiara-miasa aminy. Rehefa nolavin’ny governemanta ny fandinihana azy io, dia navadika volavolan-dalàna indray halefa hankavoavin’ny Parlemanta. Niantsoana filankevitry ny minisitra tampoka ny fandinihana io volavolan-dalàna io omaly saingy rava maina ny fivoriana. Omaly dia fivoriana tsy fivoriana tao an-dapa mitady lalana hampanjariana ny tetika, ka iza ihany no olana sy mampisavorovoro eto amin’ity firenena ity ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT