Tokony hojerena ny hamahana ny olana amin’ilay fahazarana mampiditra am-ponja vonjimaika, hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nihaona tamin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) teny Ambohitsorohitra izy omaly, izy rahateo moa no filohan’izany.
Tsy ny fonja ihany raha ny nambaran’ny filoham-pirenena no hatsaraina sy amboarina fa ny fitsarana ihany koa. Hojerentsika miaraka, hoy izy raha niresaka tamin’ireo mpitsara ny hahafahana manatsara ny fomba fiasa, ny fomba fisainana, ireo fotodrafitrasa ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ka tanjona amin’izany ny hananana fitsarana tsy mitanila sady atokisan’ny vahoaka. Ny ao amin’ny fonjan’Antanimora fotsiny, ohatra, dia tsy mbola nandalo fitsarana ny 3/4 ireo voafonja ao. 800 no zakan’io fonja io kanefa efa 1.300 mahery no migadra ao. Ankoatra izay, manodidina ny 4.000 ireo antontan-taratasy tsy voadinika eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana ka mila fanafainganana ny asa. Izay no hanaovantsika ilay fitsarana mitety vohitra. Tena nanindry mafy ny tokony hitondrana vahaolana mba ialana amin’ilay fampidirana am-ponja vonjimaika isaky ny mihetsika ny filoha omaly. Efa tena tsy araka ny tokony ho izy intsony ny zava-misy eny amin’ny fonjan’Antanimora, hoy i Andry Rajoelina izay nitsidika teny ny 31 oktobra satria msy efitrano iray mirefy 70 m² kanefa dia olona 250 no mifanesika ao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.