Raha misy ny modely fakan-tahaka amin'ny fampihavanana eto amin'ny firenena dia tokony ho lohalaharana amin'izany ny filoha.
Raha ny fahitana ny firesany hatramin'izay anefa dia tsy mbola vonona amin'ny fampihavanana ny filohan'ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Manao valin-teny mihodinkodina sy manjavozavo izy rehefa anontanian'ny mpanao gazety ny amin'io lafin-javatra iray io. Farany teo izao, nandritra ny diany tany Frantsa, dia voaresaka ity fampihavanana ity, raha nitafa tamin'ny mpanao gazetin'ny TV5 Monde izy. Ny momba ny fampiharana ilay andininy faha-20 ao amin'ny tondrozotra sy ny fodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa no tena nifantohan'ny fanontanian’ilay mpanao gazety.
Nilaza Atoa Andry Rajoelina fa efa namela ny zavatra tsy nety nataon'i Marc Ravalomanana taminy izy. Tsy afaka ny hanery na handresy lahatra ny olona hafa hamela an'i Marc Ravalomanana kosa anefa ny tenako hoy izy. Momba ny fiverenan'ity filoha teo aloha ity an-tanindrazana kosa, dia hafahafa ihany ny valin-teniny. Nambarany fa matoky ny SADC sy i Afrika Atsimo ny tenany fa handray fepetra hitondra ny filaminana sy ny fitoniana ao Madagasikara izy ireo. Rehefa halalinina izany rehetra izany dia tsy mankasitraka velively ny hiverenan'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara ny filohan'ny tetezamita, na dia hoe hosamborina sy hotsaraina eto aza ity filoha teo aloha ity.
Hita taratra amin'ny fanambarany ihany koa fa tsy vonona ny hiresaka mivantana sy hihavana amin'i Marc Ravalomanana izy. Ny faniriany dia tsy hiverina eto Madagasikara intsony izany fianakaviana Ravalomanana izany. Tsy misy firenena mandroso am-pitoniana izany anefa raha mbola misy ny alahelo sy ny lonilony, indrindra fa amin'ireo olobe sy mpanao politika tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny firenena. Mbola mizara ny Malagasy satria manaraka firehana sy manohana olona. Noho izany, mila miresaka, mifanazava, samy miaiky ny fahadisoany avy, mifamela ary mihavana ireo mpitarika ireo, izay vao ho tsara fototra ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara.
Fa raha mbola hifandrafy sy hifanenjika dia ny vahiny no hahazo tombony eto. Hamehezana azy dia tsaroana ny tenin'i Nelson Mandela rehefa tafavoaka ny fonja izy taorian'ny nanagadrana azy nandritra ny 27 taona. « Maro aminareo mitovy amiko, havana tapaka sy namana izao no mieritreritra fa hamalifaty ireo fotsy hoditra noho ny tsy rariny nataon'izy ireo tamiko sy tamin'ny havako ary ny mpiray tanindrazana amiko aho. Tsy vahaolana anefa izany. Hafatra ho amin'ny fitoniana, fitiavana ary fampihavanana no entiko satria mila mifanome tanana manarina ity firenena ity isika rehetra tsy an-kanavaka...». Manana ny anjara toerany any Afrika Atsimo i Nelson Mandela satria izy no afaka nampitony ny andaniny sy ny ankilany ary afaka nandresy lahatra ireo tsy mitovy volon-koditra mba hihavana sy hifankatia, ary hiara-miasa ao anatin'ny fifanajana. Azo atao tsara eto Madagasikara izany. Iza anefa no sahy hijoro tahaka an’i Mandela ka tena hampandefitra marina ny hambom-po amin'ny alalan’ny asa hita maso, fa tsy amin'ny kabary fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.