Toy ny nataony tao amin’ny Magro Behoririka Antananarivo sy tao Tanambao Toamasina dia niditra an-tariby nivantana tao amin’ny Magro Avaratsena nandritra ny hetsiky ny rodobe, mitaky ny hiverenan’ny ara-dalŕna ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana.
. Voalohany io taorian’ny nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny tetezamita. Nandritra izany no nilazany fa dia tena manana faharetana ny vahoaka malagasy, indrindra fa ireo mpitolona ao amin’ny Magro ka nankaherezany azy ireo. Ela izay no niandrasanareo ny feoko ka izao indray aho vao hiteny. Mahamenatra ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana vokatry ny ataon’ireo milaza ho mpitondra ireo kanefa dia tena mampijaly ny vahoaka Malagasy fotsiny no ataony, hoy izy. Nosy lehibe indrindra aty amin’ny ranomasina Indianina i Madagasikara, hoy ny tenany, izay voalaza fa tompon’ny Fahendrena sy ny Fihavanana kanefa dia mikorontana sy tsy milamina ka ireo Nosy kely sy bitika manodidina azy indray no milaza fa handamina ny olana eto Madagasikara.
Mahamenatra izany satria toa lehibem-bomanga isika raha izany. Inoako fa efa henonareo ny fehin-kevitry ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina (CPS/UA) farany teo izay mitaky tatitra mazava amin’ny vokatry ny fivoaran’ny asan’ny Troika sy ny SADC teto Madagasikara tamin’ny fanelanelanana nataony ahafahana manala ny sazy mihatra amin’i Madagasikara, hoy izy. Voalazany amin’izany ireo teboka maromaro fa ny notsindriany manokana dia ny fampiharana ilay andininy faha-20. Araka izany dia hanonofy fotsiny eo i Andry Rajoelina raha hanantena hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany raha tsy efa tafody any Madagasikara ny tenako, ary efa iharaha-mahita fa famitaham-bahoaka fotsiny ny fandehanany tany Frantsa nihaona tamin’ny filoha Frantsay.
Tsy anjaran’ny Frantsay no manala ny sazy mihatra amin’i Madagasikara, araka ny voalazan’ny CPS/UA farany teo, fa ny fampiharana izay nosoniavina ihany no fantany. Aza adinoina, hoy ny filoha Ravalomanana fa rafitra faratampony aty Afrika io ary ny any New York ao amin’ny Firenena Mikambana ny aoriany ka izay tapaky ny CPS/UA ihany no hampiharina aty Afrika. Efa betsaka izay nataon’ny FAT hitadiavana fankatoavana izay toy ny fampidirana an-dry Raharinaivo Andrianatoandro sy Rakotoarison Yves Aimé tao amin’ny fitondrany fa tsy nahazo raha tsy i Dada no tonga any ka ho diso fanantenana ihany koa izy amin-dry Mamy Rakotoarivelo sy ireo hafa ireo raha tsy efa tafody any Madagasikara ny tenako vao hisy ny fankatoavana iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia efa niteny izany ny Vondrona Eoropeanina fa raha tafody ireo sesitany politika dia hanome vola an’i Madagasikara izy ireo. Ka aza matahotra hoy aho aminareo fa tsy ho ela dia hifankahita isika fa mandra-pahatonga izany dia tsy azo foanana ny tolona eto amin’ny Magro fa tohizana hatrany ka ho avy any aho hamarana azy tsy ho ela. Nomarihin’ny filoha Ravalomanana moa fa anisan’ny tsy mbola nankatoavan’ireo sehatra iraisam-pirenena io Governemanta io ny fisian’ireo mpikambana vitsivitsy izay efa fantatra tamina resaka kolikoly iraisam-pirenena nefa dia mbola notendrena ao ihany ka izay no tsy hiarahaban’ireo firenen-dehibe sy tsy ankatoavany io Governemanta io hatramin’izao.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.