Politique

Andry Rajoelina Tsy dia mazoto miasa eny Iavoloha


  • Zoma 15 Martsa 2019

Fa maninona tokoa ary ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina, no tsy dia mazoto miasa eny Iavoloha fa ao Ambohitsirohitra matetika? Fanontaniana maha lasa saina ny mpanara-baovao io.

 

 

 Raha jerena ny lafiny fanamorana ny fihetsehana na ny lafiny pratika, hoy ny fitenenana, dia lojika kokoa ny hoe manamora ny fomba fiasany raha eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy no manatanteraka ny asa aman-draharahany. Ao daholo no misy ireo rafitra mavesatra rehetra ilainy fa ny eny Ambohitsirohitra hatramin’izay dia fanatontosana raharaha madinika toy ny fanomezana ireo kara-pidirana hanatrika lanonam-panjakana, ny serasera …. Raha jerena ihany koa ny resaka halaviran-dalana dia akaiky kokoa ny fonenan’ity filoham-pirenena ity etsy Ambatobe ny eny Iavoloha; azony atao tsara koa anefa, tahaka ireo filoha teo alohany ny mipetraka eny miaraka amin’ny fianakaviany. Efa eo koa ny kodanan-dalan’ny By pass. Hany fotoana ahitana ny filoham-pirenena miakatra eny Iavoloha matetika aloha hatreto dia rehefa handray taratasy fanendrena ho masoivoho. Fa dia inona loatra ary no antony? Mistery hana-tantara.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT