Politique

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…


  • Talata 12 Novambra 2019

Mihazakazaka amin’ny fampanantenana hatrany ny filoha Andry Rajoelina, saingy tsy arakarak’izay ny zava-misy.

 

Miharihary ny hoe mety mora ny naka ny fahefana, fa sarotra kosa ny mitondra firenena. Tsy tahaka ny tamin’ny fitondrana tetezamita hoe mihazakazaka ny aferafera sy ny bizina, ary afaka manao izay tian-katao. Toa diso fanantenana ny filoha sy ny ekipany, ary sahirana tanteraka. Nifanaraka tamin’ny sinoa tamin’ny fitrandrahana vy tao Soalala, ohatra, dia nahazo 200 tapitrisa dolara, saingy ny 100 tapitrisa ihany no nanaovana fanambarana raha ny fanazavana efa nentin’Atoa Serge Zafimahova. Afaka nanao sarintsarina fampandrosoana nentina nanakonana ny afera. Amin’izao kosa somary sarotsarotra izany ary toa lasa olan-dRajoelina sy ny mpamatsy vola ny karazana loharanom-bola tsy mazava hoentiny manatanteraka asa vitsivitsy hoentina maka ny fom-bahoaka. Efa ho herintaona nitondrana ny filoha, saingy tsapa ho sahirana tanteraka ny filoham-pirenena. Ny olana ara-tsosialy tsy mivaha, ny olana politika toy ny olony ihany no mamingana sy mifehy ilay filoha,… Zary ailika any amin’ny mpanohitra ny tsy fahombiazana, izay maneho fa malemy izany ny mpitondra sy ny fahefam-panjakana matoa voahozongozon’ny mpanohitra, raha tena izay tokoa no marina. Sasatry ny mamono afo manoloana ny olana samihafa: delestazy, famatsian-drano, fisondrotry ny vidim-piainana, grevin’ny mpampianatra mpikaroka, tsy fandriampahalemana,… Eo ny krizy ara-tsosialy sy toekarena, fa ny ara-drafitra aza tsy voalamina mandrak’androany : tsy voatendry mandrak’androany ny governora amin’ireo faritra 11 hafa, raha toa ka nambara fa efa nomena 1,045 miliara ariary avy ireo efa notendrena, tsy misy minisitra tompon’andraikitra ny resaka angovo sy akoran’afo kanefa tena iankinan’ny fiainam-bahoaka,… Misy faritra tratry ny ankilabao, ary efa tena tezitra ny olona. Raha ny lojika dia hitotongana ny vato azon’ny IRD amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, saingy ny fifidianana eto amintsika efa iaraha-nahita ny zava-miseho ao anatiny.

 

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT