Samy nahatsikaritra ny rehetra nijery ny televiziona nasionaly na ny TVM omaly tolakandro fa nisy fotoana hafahafa be ny sary nandritra ny famangiana sy fampaherezana ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.
Mety tsara rehefa ny mamangy no miteny fa hafahafa be kosa rehefa mamaly ny novangiana. Ny antony dia satria niara-nipetraka tamin’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert i Andry Rajoelina ka nezahana tsy nampidirina tao anatin’ny sary mihitsy, kanefa dia teo akaikiny namaly ny famangiana ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Nanatitra fehezam-boninkazo sy nitsapa alahelo teny Mahamasina mantsy ny vondrona Mapar notarihan’ny filohany omaly ary avy eo nisy ampahany nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviana. Tsy miady amam-paty ny Malagasy, hoy ny fitenenana saingy mazava be iny tranga omaly iny fa dia tsy mety amin’ny mpitondra HVM i Andry Rajoelina ary dia iny tratry ny sivana iny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.